Tsy resaka manala azy intsony mantsy izy ity na miandry andro fety fa zary lasa fiainan’ny Malagasy isan’andro mihitsy. Mpisotro toaka ny 77%-n’ny Malagasy izany hoe : Malagasy 3 amin’ny 4 no misotro toaka. Mitambatra ao avokoa rehefa zava-pisotro misy alikaola, raha araka ny fantatra. Ny tena loza dia latsaka ambany ny taonan’ny Malagasy misotro satria 9 ka hatramin’ny 64 no salan-taonan’ireo mpisotro, izany hoe : misy ankizy latsaky ny 10 taona izany eto Madagasikara dia efa misotro toaka sahady.
IREO VOKA-DRATSY
Fantatra ihany koa fa manodidina ny 25 tapitrisa tavoahangy no lany isam-bolana eto Madagasikara, ho ana orinasa mpamokatra iray monja io. Miandahy miambavy io fisotroana io ary tsy miandry misy fety na lanonana fa tena isan’andro. Rehefa mamolava anefa ny olona iray dia lazoan’ny aretina ka tsy afaka mamokatra ho an’ny ankohonany intsony izay miteraka voka-dratsy ho an’ny firenena mihitsy. Mikorontan-dava ihany koa ny fiaraha-monina sy ny tokantrano hany ka tonga ho azy rafahantrana. Ny olana ara-tsaina mety mahazo ireo vady aman-janaka tsy lazaina intsony noho ny teny maharary sy ny teny ratsy azo isan’andro, arahin’ny tondro molotry ny sasany. Toraka izany koa ny mpianatra, anisan’ny antony iray mety mampitontongana isan-taona ny voka-panadinana eto amintsika io fisotroan-toaka io. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina tompona bar iray dia tsy tapak’olona izy ireny isan’andro ary tena mahazo vola mihitsy.Vao maraina amin’ny 6 ora maraina dia efa misy tonga maka kely ao aminy toy ireo olona handeha hiasa ahitana dokera, mpitarika posy sy sarety …
MARAINA, ATOANDRO, HARIVA
Misy koa ireo tra-maraina, izany hoe : efa nisy dia nalehany ny alina ka efa nisotrosotro saingy mba maka vazony kely arak’ilay fomba fiteny. Aorian’io dia efa maresaka ny Bar maraina, atoandro, hariva, hatramin’ny alina. Voatondron’ny lalàna anefa fa amin’ny 9 ora alina no tsy maintsy mikatona ny toeram-pisotroana rehetra eto Madagasikara saingy misy ihany ireo maningana. Fantatra fa misy mahalany 10 000 ka hatramin’ny 30 000 ariary isan’andro amin’ny fisotroana toaka ny olona iray izay tsy olona mpanefoefo akory fa Malagasy antonony. Misy aza ireo sokajiana sahirana saingy mahita vola foana hisotroana. Mandeha ihany koa moa ny tsipaipaika dia mitambatambatra eo ny vola ka mahamamo ihany ny farany. Tombanana ho manodidina ny 100 isan’andro ny olona mifamezivezy amina toeram-pisotroana iray. Tsara homarihana fa ambony kokoa ny tahan’ny homamiadana amin’ny olona misotro toaka sy mifoka sigara. Manimba ireo taova ao anatin’ny vatan’olombelona toy ny vavony, aty, voa, tsinay koa ny fibobohana zava-pisotro misy alikaola. Misy akony ratsy any amin’ny atidoha ihany koa ny toaka sy ny rongony. Izay no maha zava-mahadomelina azy ireo. Maro ny milaza fa misotro satria mba te hanadino kely ny rotorotom-piainana. Efa lasa fomba amam-panaon’ny Malagasy ny misotro na an-kafaliana io na an-karatsiana. Misy mamoy ny ainy na famadihana ao an-tanàna dia misy toaka ao izay. Misy tera-bao, misy toaka eo izay; any anaty vodiondry sy mariazy ao foana ny toaka. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : mety ho avy amin’ izay koa ve no mahatonga ny Malagasy tsy mety tafavoaka amin’ny fahantrana sy mikorotan-dava ?
Nangonin’i Pati
Firenena mandalo krizy politika miverimberina i Madagasikara niainga tany amin’ny 1960 nahazoana ny fahaleovantena.
Olona miisa 163.000 no fantatra fa nahazo tombontsoa tamin’ilay tetikasa Fafirano andiany faharoa notanterahina
Hotanterahina anio Alakamisy 23 Janoary any Lyon France ilay
Miverina amin’ny heriny tanteraka ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina.
Mitaky mangarahara amin’ny vola mivoaka, ny antsipirian’ny fifanarahana ary ny loharanom-bola mikasika ny
Tsy vitan’ny fampidinana vidin-tsolika ny atao hoe fiahiana ny mpandraharaha anatiny eto Madagasikara,