airtel

Actualités

08-août-2024

Fitondrana Rajoelina

«Tsy tonga hatramin’ny farany izay ataony rehetra hatramin’izay»

Sample post image

15 taona mahery izao no niarahantsika tamin’andriamatoa Andry Rajoelina ka tokony efa

08-août-2024

hahafantatra tsara ny toetrany sy ny fomba fiasany, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national». Raha manao zavatra na mitondra soson-kevitra na vahaolana amin’ny toe-javatra iray izy, hoy ny filohan’ny FLN, Iada Jean Pierre, dia iarahantsika mahita foana ny fiafarany. Mitondra vahaolana izy amin’ny resaka tohamboivoy dia io fa nomeny antsika ny teleferika amin’izao fotoana izao. Mitondra vahaolana izy amin’ny faharatsian’ny lalana any amin’ny faritra ny «autoroute» lala-migodana hatramin’izao. Vahaolana amin’ny resaka fanafody nomeny ny artemezia ary io iarahantsika mahita io niaraka tamin’ilay ozinina Pharmalagasy nanao azy. Mitondra vahaolana izy amin’ny lafiny fampianarana dia io iarahantsika mahita io ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny saram-pianarana sy ny korontana aterak’izany eo amin’ireo ankizy tokony hahazo ilay antsoina hoe vatsim-pianarana fa tsy karama. Maro ireo vahaolana efa nentiny na dia teo amin’ny lafiny fanendrena governemanta satria efa nentiny teto ny hoe governemanta atidoha na «cerveau» dia niarahantsika nahita ny vokany. Nitondra governemanta hoe miasa na «gouvernement d’action» izy dia hitantsika teo ny asa nataon’ireo governemanta tao anatiny. Nitondra vahaolana izy momba ny governemanta 100 andro dia niarahantsika nahita ny nataon’ireo tao anatin’ny 100 andro. Lojika be izany izao raha taraiky be ny fitsanganan’ny governemanta manaraka. Tsy misy na inona na inona manakana azy eo fa izy mihitsy no efa mitavozavoza hatramin’izay ary tsy tonga hatramin’ny farany izay ataony rehetra hatramin’izay. Ohatran’izay koa ny Tanamasoandro. Mbola tsy misy akory ny atao hoe mpikamban’ny governemanta fa vao ny praiminisitra no misy dia nilaza fa hametraka ny PGE na praograma ankapoben’ny fanjakana izy nefa governemanta no mametraka izany PGE izany fa tsy praiminisitra, izay olona iray, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap