airtel

Actualités

13-août-2024

Fitsarana miaramila 2024

Ny 17-24 aogositra ho an’ireo renivohi-paritany dimy

Sample post image

Efa mivoaka eny amin'ny biraon'ny fiarovana eny anivon'ny Distrika ny tetiandro

13-août-2024

ho an’ny any amin’ny distrika, ary efa misy ny fampafantarana ataon'ireo tomponandraikitra momba ny fitsarana miaramila ho an’ity taona ity. Amin’ny ankampobeny kosa, dia ny sabotsy 17 aogositra izao ka hatramin’ny 24 aogositra izany any amin’ny renivohi-paritany teo aloha : Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa ary Toliara, araka ny fampahafantarana ofisialy. Ny zatovolahy sy zatovovavy mizaka ny zom-pirenena malagasy, teraka ny taona 1993 ka hatramin'ny taona 2005 no entanina amin’izany mba hanefa ny adidiny amin'ny fanompoam-pirenena, hoy ny fanamarihana. Voafaritry ny lalàna moa ny tsy maintsy hanaovana fitsarana miaramila sy ny fanopoam-pirenena, ary misy ny lalàna sy ny sazy mifandraika amin’izany raha toa ka tsy nahavita azy io. Anisan’ny mety hiteraka olana samihafa toy ny taratasim-panjakana ilaina amin’ny ambaratonga maro, asa, fianarana any ivelany,… ny tsy nanaovana fitsarana miaramila.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap