airtel

Actualités

03-juil-2024

FITSARANA MIARAMILA

Hanomboka ny 06 Jolay ny eto an-drenivohitra

Sample post image

Hanomboka ny Sabotsy 06 Jolay ho avy izao ny Fitsarana miaramila manerana ny tanin’ny Repoblika.

03-juil-2024

Nandritra ny fanambarana nataon’ny talen'ny Fanompoam-pirenena sy ny Fitantanana ny Fiandry eto anivon'ny Minisiteran'ny Foloalindahy no nahafantarana izany. Ireo zatovolahy sy zatovovavy mizaka ny zom-pirenena malagasy, teraka ny taona 1993 ka hatramin'ny taona 2005 no ho voakasik’izany. Hanombohana izany ny eto Antananarivo renivohitra izany fitsarana miaramila izany amin’io andron’ny Sabotsy 6 jolay ary tsy hifarana raha tsy ny Alahady 04 aogositra taona 2024. Eny amin'ny Kianja Betongolo no hanaovana izany manomboka amin'ny 8ora maraina ka hatramin'ny 3 ora tolakandro. Marihina fa misy foana ny fitsarana ho miaramila na Sabotsy na Alahady mandritra io fotoana io. Ny any amin'ireo Renivohi-paritany teo aloha kosa, dia hanomboka ny Sabotsy 17 aogositra izany, hifarana ny Sabotsy 24 aogositra 2024. Aorian'izay dia manomboka ny any amin'ireo distrika rehetra manerana ny Nosy, sy ny any amin'ireo kaominina maro ny fitsarana. Tsy misy moa ny vola haloa amin'ny fitsarana ho miaramila fa penina manga sy karapanondrom-pirenena no entina.
Pati
Legende : Raikitra indray ny fitsarana miaramila manerana ny Nosy !
 

Dans la même rubrique

05-juil-2024

Miakatra ny daozin’ny fahatapahan-jiro manerana ny Nosy.

Card image cap
05-juil-2024

Efa hatrany am-piandohana no miasa ho an’ny vehivavy ny Jejoo le quotidien des femmes amin’ny alalan’ny

Card image cap
04-juil-2024

Tsipahin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, lany tamin’ny anaran’ny vovonana politika,

Card image cap
04-juil-2024

Tena niaina tao anatin’ny hatsiaka tanteraka isika teto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro izao.

Card image cap
04-juil-2024

Taribin-jiro'ny orinasa Jirama sahabo 500 metatra, izay mamatsy herinaratra

Card image cap