hatramin'ny taona 2028 ny Minisiteran’ny fizahantany tarihin-dRtoa Viviane Dewa. Mila ezaka mitohy na misy aza ny fivoarana na amin'ny tsena iraisam-pirenena na eto an-toerana, mba hampiara-dalana ny toerana misy an’i Madagasikara amin'ny sehatry ny fizahantany maneran-tany, hoy ny seraseram-panjakana. Tamin'ny volana aogositra 2024, miisa 23 795 ny mpizahatany tonga teto, nihoatra ny 23 288 tamin'ny taona 2023 tao anatin’ny volana nitovy, saingy mbola ambany noho ny 27 079 mpizahatany voarakitra tamin'ny aogositra 2019, talohan'ny valan'aretina covid-19. Nambara fa isan’ny nandray anjara tamin’ny fahazoana vokatra ny fiaraha-miasa amin'ny orinasa Emirates, izay manatanteraka sidina any amin'ny firenena 140. Ankoatra ny fitaterana mpandeha, nambara fa manampy amin'ny fanondranana entana, manome ny mpanao asa tanana malagasy ny fahafahana hanolotra ny vokatr’izy ireo amin'ny tsena iraisam-pirenena toy ny Dubaï,… io kampania io. Somary mahagaga ihany anefa ity seraseram-panjakana ity satria ny sidin’ny Emirates aza ny 03 septambra no nosokafana ofisialy. Ny tsena eoropeana, izay mitana ny 40% amin'ny mpitsidika amin'izao fotoana izao, dia mbola zava-dehibe ho an'i Madagasikara, raha mbola mitohy ny ezaka hanamora ny fiaviana mpizahatany, indrindra ny fitomboan'ny liana avy amin'ny firenen-kafa toa an’i Varsovie, mba hahafahana misintona ny avy any Eoropa Atsinanana. Ny tsena sinoa, na dia mbola voafetra aza, dia mitazona anjara toerana lehibe miaraka amin'ny mpizahatany an-tapitrisany isan-taona. Ny fampivoarana ny sehatry ny fizahantany dia tena ilaina ho an'ny toekaren'i Madagasikara, miaraka amin'ny mety hisian'ny fandraisana anjara 10% amin'ny harin-karena faobe na PIB nasionaly, raha ny tatitra. Mba hahatratrarana izany, dia nisy ny hetsika toy ny “Road Talk”, forum na atrik’asa iray natokana ho an'ny fifanakalozan-kevitra. Tanjona ny hanangana maodely fizahantany maharitra izay mamaly ny andrasan'ny mpitsidika raha mitahiry ny harena voajanahary sy ny kolontsaina ao amin'ny firenena. Ny hetsika toy ny Salon du Tourisme, izay atao isaky ny enina volana, dia nambara fa manome ny Malagasy ny fahafahana hahita sy hanandratra ny vakoka manokany, manamafy ny anjara asan'ny fizahantany amin'ny fampivoarana nasionaly. Na izany aza, mbola lavitr’ezaka ny fizahantany eto eo anatrehan’ny fotodrafitrasa toy ny làlana tsizarizary, tsy fandriampahalemana,…
Toky R
Sary indrana
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny volana
Melohin’ireo orinasa misehatra amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday eto Madagasikara,
Raha vao tsy miala mihitsy isika amin’io fampiasana famatsiana herinaratra na «groupe électrogène»
Isan’ny vinan’asan’ny kandida ho ben’ny tanàna, Lolitah Rasoarimanana, ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana,
Somary mafampana tsy dia mafana hatreto ny atao hoe «ambiance électorale»
Mandalo krizy ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha miara-mitantana ny antoko politika MFM,