hoy ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominin’Imerintsiatosika, Parisoa Andriambolanarivo, nanazava ny olana momba ny aditany ao amin’ity kaominina ity. Azo lazaina hoe nahazo fahafaha-po 75 na 80% kosa angamba, hoy izy, nefa ny olona hatramin’ny nametrahana ezaka tsara ao amin’ny birao ifoton’ny fananan-tany. Misy ezaka be ataon’ny kaominina amin’io karatany zaraina amin’ny olona satria tsy mora ny sarany aloha amin’izany. Natao faran’izay mirary nefa asa be ny asa atao ao anatin’izany. Mahavaha olana nefa izany. Matoa mirohotra manao izany karatany izany ny olona eto aminay dia tena mahavaha olan’olona maro ilay izy. In-3 alatsinainy izao izahay no nizara karatany faobe ho ana fokontany miisa 9. Noho ny fahamaroan’ilay izy satria eo amin’ny 10.000 eo no isany dia isak’alatsinainy izahay no mizara izany karatany izany. Miisa 3000 isak’alatsinainy no zaraina ka izay tsy tonga ny alatsinainy dia afaka maka izany foana anatin’ny herinandro. Anio (TTF:omaly) no namarana azy ny fokontany miisa 3 farany, izany hoe, miisa 3000 no nozaraina anio fa tsy voatery ho tonga teo daholo izay olona tompon’ireo karatany miisa 3000 izay. Mety misy olona manana karatany miisa 5 na 10, izany hoe, «parcelle» ihany koa. Misy maha samihafa azy ny atao hoe karatany faobe sy karatany tsotra satria ny karatany tsotra dia zo ara-dalàna. Io ilay miankina amin’ny refin’ny taninao no vola alohanao. Tsy haiko tsianjery fa mety hoe 60.000 Ariary na 70.000 Ariary na 100.000 Ariary sy ny toy izany. Ilay faobe kosa dia mora ary izay no mahantonga ny olona harisika amin’ilay izy. Na mirefy 10ha aza ny taninao, izay moa no ambony indrindra azo atao karatany, dia 30.000 Ariary foana no alohan’ilay olona na dia asa be ho an’ny kaominina aza izany. Izay no mamparisika ny olona hanao azy io, hoy hatrany ny tenany, na dia tsy misy fanentanana be atao aza. Tamin’ny fe-potoam-piasako voalohany, raha ohatra ka mandray olona miisa 50 ato amin’ny biraoko aho dia olana ara-tany daholo ny an’ny 35 amin’ireo. Rehefa nampianatra momba ny fananan-tany nefa tao anatin’izay fotoana naha ben’ny tanàna izay ny tena, ekena fa misy olona tonga ato mitaraina momba ny aditany saingy resaka dingana arahina sisa, dia azo lazaina izany fa raha nihoatran’ny 70% ny olan’ny aditany tamin’ny fotoan’andro, dia mba nihena 25 na 30% izany ankehitriny. Fomba fijery ivelany moa izay fa tsy hoe misy antotan’isa mazava akory. Ny resaka ataonao amin’ny olona no ahitanao hoe nahavaha ny olan’ny olona ilay karatany, hoy hatrany ny fanazavan’ny ben’ny tanàna.
J. Mirija
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA