airtel

Actualités

08-août-2024

Front de libération nationale

«Minisitera faran’ny tsy mandeha indrindra ny minisiteran’ny angovo»

Sample post image

Manana ny minisiteran’ny angovo isika, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération nationale.

08-août-2024

Tsy JIRAMA irery ihany no atao hoe angovo, hoy ny filohan’izy ireo, Iada Jean Pierre. Lafiny maro io. Isany ny solika. Raha hiresaka herinaratra sy solika isika dia minisitera faran’ny tsy mandeha indrindra ny minisiteran’ny angovo. Vahaolana nentin’ny filoham-pirenena mihitsy ialantsika amin’ny delestazy io fampitondrana azy ny vazaha io nefa dia miverina amin’ilay toetrany taloha ihany isika. Ny mahagaga fotsiny dia hoe raha ohatra ianao efa tsy mahaloa vola, tsy manam-bola andoavana, dia mbola ianao ihany indray koa no handoa amboniny avy eo nefa tsara ho fantatry ny JIRAMA fa sady asam-bahoaka na «service publique» ny JIRAMA no misy fifanarahana mazava 24 amin’ny 24 ora tokony hanomezany herinaratra ny olona mampiasa azy. Izy ankehitriny no tsy mahafeno ny fepetra rehetra eo amin’ny fifanarahan’ny JIRAMA sy ny mpampiasa azy ary ny mpanjifa azy. Tsy anjarany no mametra avy hatrany hoe tokony hisy izany 5% izany satria raha misy ny tsy fanajàna ny vahoaka izay mpampiasa izany JIRAMA izany na tsy fifanajàna eo amin’izay fifanarahana izay dia ny fitsaràna ihany no afaka mametra ny onitra na sazy, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap