lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Miara-mipetraka toy ny seza sy latabatra izao ny malagasy fa tsy miara-monina, hoy izy. Raha tsy misy mpanakisaka tsy mifanatona. Ny antony moa dia tsy tsapantsika intsony hoe inona izany fihavanana amin’ny malagasy? Ny fahatsapana fa iray aina ny olombelona, aina iray ihany avy amin’ny Zanahary no hery enti-manosika amin’ny zavatra atao ka mila miray hina, miara-miasa, mifamelona dia ho tafavoaka isika. Ambony be noho ny volamena sy safira izany fihavanana izany tamin’ny malagasy fa amintsika izao dia ny vola sy harena sy izany volamena sy safira izany no zava-dehibe. Tsy mametraka intsony ny fahendrena sy fahamboniana amin’ny maha olombelona isika fa ady tombontsoa sisa no zava-drehetra ka io tsy hananako havana io. Hivarotako fanahy io. Tsy misy fanahy intsony izany fa lasa biby. Lasa mifampihinana. Olona iray tampoho, mpianaka no lasa mifampitory eny amin’ny fitsaràna, mifampisoloky, mifanambaka, maika moa fa olona tsotra ety an’anona ety. Tsy misy intsony ny fifanajana sy fifanampiana amin’ny maha olombelona. Ny fanajana ny fanabeazana, ny famerenana mihitsy, fiainana ho an’ireo mbola mahatsapa hoe izao no soatoavina malagasy no tokony hitarihana ny lalana. Tsy ny vola na ny fahefana no atao lohalaharana na ny hetsiketsika ivelany. Rehefa ireo farany ireo no ataontsika hatrany lohalaharana dia tsy olana intsony na mangalatra sy mamono olona aza mba hahazoana azy. Tomponandraikitra voalohany ny ray aman-dreny niteraka amin’ny fampitana soatoavina. Miitatra any amin’ny mpiara-monina avy eo. Rehefa mahay mifanaja, tsy mifanambaka, tsy mangalatra ao an-trano dia tsy manao izany koa any ivelany. Eo koa ny sekoly. Anjaran’ny fanjakana sy mpanabe ny manao ny fandaharam-pianarana fa anjaran’ny mpiara-monina no manome ohatra. Izay vao any amin’ireo raiamandreny any amin’ny fiarahamonina toy ny mpitondra fivavahana sy mpitondra. Mila atao miara-dalana ny ara-drariny sy ara-dalàna satria izay no atao hoe fahamarinana. Mila mahay mifanome ohatra amin’izany tsy mifanilikilika isika. Mila karakaraina sy kolokoloina tsara amin’ny lafiny rehetra, noho izany, ny maha olombelona saina, vatana, fanahy amin’ny sehatra rehetra na toekarena na politika na sosialy na fanabeazana na inona, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA