airtel

Actualités

30-mai-2024

Actualités

HAINTRANO TAO EHOVATRAHA ANOSY Novatsiana sakafo sy notsaboina ireo traboina

Sample post image

Novatsiana sakafo sy notsaboina ireo traboina am-polony maro mila izany lasibatry ny

30-mai-2024

haintrano nitranga tao Ehovatraha, Faritra Anosy. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana haintrano tao tao amin’ity tanana ity Zoma 24 Mey lasa teo. Vokatry ny tsy fitandremana avy amin’ny tokantrano iray no nahatonga ny loza hany ka lasa lavenona tao anatin’ny indray mipi-maso ireo fananana nohariana am-polony taonany maro…. Tsy niandry ela fa tonga nijery ireo traboina ny avy eo anivon'ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamana ao amin’ny Faritra Anosy izay nisolo tena ny Ministeran'ny Fahasalamam-Bahoaka. Ankoatra ny fitondran’izy ireo izay voatsirambin’ny tanany ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana traboina dia noraisin’izy ireo an-tanana ihany koa ny fitsaboana maimaim-poana ireo olona mila izany. Tsy vitsy mantsy ireo niakatra tosi-dra tampoka vokatry ny fahatairana naterak’ity haintrano nitranga tao Ehovatraha ity indrindra fa ireo efa nahazoazo taona.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana fanampiana ireo traboina sy ny fandraisana an-tanana ny fahasalamany !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap