ny lalàna laharana 2024-025 mikasika ny tetibolam-panjakana 2025 izay nolanian’ny antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ny 29 novambra sy ny 30 novambra 2024 lasa teo. Nanamafy ny fandaniana tsy misy fikitihana fa nitelina izany toy ny depiote sy loholona izany HCC, ka toa lasa toy ny boloky mamerina izay ampanaovina azy, hoy ny mpandinika. Ny Fitsarana Ambony momba ny Lalampanorenana no mpitsara ny fahamarinan'ny lalàna momba ny teti-bola amin'ny Lalampanorenana sy ny lalàna fehizoro momba ny lalàna momba ny teti-bola; ary izy no tokony hanamarina ny fanajana ireo fitsipika momba ny tetibola, indrindra ny fitsipika momba ny fifandanjan'ny teti-bola. Ao amin'ny Andininy faha-14 ao amin'ny amin’ny LFI 2025 dia manolotra amin'ny tabilao misy andalana telo (nomenklatura, vola miditra, vola mivoaka) ny fifandanjan'ny lalàna momba ny teti-bola amin'ny taona 2025, ka ny vola miditra (23.859.768.258.000 Ariary) dia mifanandrify tanteraka amin'ny vola mivoaka (23.859.768.258.000 Ariary); ary manaraka ny fifandanjan'ny teti-bola takian'ny Lalàna fehizoro laharana 2004-007, hoy ny ampaham-panazavan’ny HCC. Nambara fa tsy misy fepetra mifanohitra amin'ny Lalampanorenana ary manaraka ny Lalampanorenana ny LFI 2025. Betsaka moa ireo toe-javatra niteraka adihevitra sy loza mitatao ary hivadika ho loza mihatra amin’ny firenena sy ny vahoaka rehefa tena hihatra ity lalàna ity. Voalohany ilay nanovana ny fakana ny hetran-trano IFPB sy ny hetran-tany na IFT izay navadika ho ny Fanjakana foibe no hitaky sy hamory azy raha ny kaominina. Ny Fanjakana Foibe izany no handidy sy hanapaka amin’izay tokony tiany homeny ny Kaominina ? Ny 2/3n’ny vola miditra amin’ny kaominina no avy amin’ny hetran-trano sy hetran-tany ka mety ho maro amin’ireo kaominina 1695 manerana ny Nosy no tsy hahaloa ny karaman’ny mpiasa akory manomboka eto. Dia tena tsy nanao ve ny Antenimierandoholona izay mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na fihatsaram-belatsihy ihany ve ka namerina an’io hotakian’ny kaominina. Ny antenimierampirenana no tompon’ny teny farany, saingy nanana fahefana hanitsy ny loholona kanefa dia ny baiko midina izany no nihatra. Ny tao Tsimbazaza moa dia mandeha ny ahiahy fa ny fahazoana fiara 4x4 ho an’ny depiote ny tambiny. Isan’ny niteraka adihevitra ihany koa ilay fakana hetra 0,5% ho an’ny fandefasam-bola amin’ny finday mihoatra ny 150 000Ar izay na nisy aza ny mety fanintsiana ny fomba hakana izany dia ahiana ho ny mpanjifa no lasibatra farany amin’io. Endrika maneho sy manamafy fa tena tsy manam-bola ny Fanjakana ka ny kely ananan’ny kaominina, ny vola any am-paosin’ny vahoaka no haronina an-kolaka. Ekena fa adidin’ny vahoaka ny mandoa hetra fa moa tena misy tamberiny araka ny tokony ho izy ve ?
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA