resaka fanehoan-kevitra sy ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety maneran-tany ny herisetra amin’ny mpanao gazety malagasy ao anatin’izao vanim-potoana mialohan’ny fifidianana izao. Araka ny fampahatsiahivana natao dia am-polony ireo mpanao gazety niharan’ny herisetran’ireo heverina ho mpitandro filaminana sy ireo mpanaradia ny kandida Andry Rajoelina tato anatin’izay herinandro maromaro izay. Miantso ny manam-pahefana eto Madagasikara, noho izany, ny RSF mba hametraka ny fiarovana ny fiarovana ilaina rehetra mba hahafahan’ireo mpanao gazety manao ny asany mandritr’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao. Ny 4 novambra teo dia nisy zandary nanipy granady mandatsa-dranomaso sy mankarenina teo an-tongotry ny mpanao gazety iray nandritry ny fanangonam-baovao nataony tanatin’ny hetsik’ireo mpanohitra eto Antananarivo, hoy ny tatitra. Herinandro maro nialoha an’io, ny 13 oktobra, dia mpitolona politika akaikin’ny filoham-pirenena farany teo izay kandida ankehitriny, no nanao herisetra ara-pitenenana ireo mpanao gazety nandritry ny hetsika fiantsoana fanohanana ny fitondram-panjakana. Tsy azo ekena ny herisetra ataon’ny mpitandro filaminana sy mpanao fihetsiketsehana politika amin’ny mpanao gazety. Melohinay izany, hoy hatrany ny RSF, ary mitaky ny manam-pahefana malagasy izahay mba hanao fanadihadiana tsy mitanila sy mahaleotena mba hamantarana sy hanenjehana ireo tomponandraikitra tamin’ireny herisetra natao tamin’ny mpanao gazety ireny. Etsy ankilan’izay dia mila miantoka ny fandriampahaleman’ny mpanao gazety ireo tomponandraiki-panjakana ary koa ny fanajana ny fahalalahana mahazo mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Isan’ireo naratra ny sabotsy 4 novambra i Leonardjo Andriamparany sy Dolph Rakotoniaina, mpanao gazety mpitatitra sary na JRI ao amin’ny fahitalavitra tsy miankina Real TV sy Dream’in. Niharana ratra teo amin’ny ranjo sy sandry ireo rehefa avy nanipazana grenady teo an-tongony. Nipitihan’izany ka naratra teo amin’ny ranjony koa ny mpanao gazetin’ny Fréquence plus TV, Finoana Razafijaonimanana, raha toa ka naka sary ny hetsik’ireo mpanohitra. Ny 13 oktobra moa dia teo ambany mason’ny mpanao gazetin’ny gazety Tia Tanindrazana, Tokinirina Rafalimanana, mihitsy no nalaina teny an-tanany ny findainy, raha toa izy naka sary ny hetsik’ireo mpanohana ny filoham-pirenena teo aloha. Tamin’io andro io ihany dia niharana herisetra koa ny mpanao gazetin’ny Kolo TV, Gaëtan Andriatsilavohery, sy Real TV, Mickaella Andriatsilavohery. Araka ny angom-baovao nataon’ny RSF dia olona azo lazaina ho akaiky ny filoham-pirenena farany teo no tompon’antoka tamin’izany, hoy hatrany ny RSF.
J. Mirija
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA