airtel

Actualités

27-juin-2024

Heritiana Rasoamiaramanana na Zaref

«Be mpitsiriritra i Madagasikara»

Sample post image

Mba saino kely ry malagasy havako, hoy ny kandida ho solombavambahoaka farany teo,

27-juin-2024

Heritiana Rasoamiaramanana na Zaref. Tsy mety milamina ny ao amin’ny ilany atsinanan'ny RDC satria toerana misy zava-tsarobidy ilain'ny mpijirika sy mampiodina ny toekarenan'izao tontolo izao, hoy izy. Ankoatran'ny diamondra, volamena, cobalt, dia misy koa ny akora " 3T " - étain na " tin " amin’ny teny anglisy, ny tungstène ary ny ny coltan na tantale. Ireo akora 3T reo dia ilaina amin’ny tekinolojia avo lenta amin’ny finday, «fusée» na sambon-danitra na koa «industrie aéronautique» na indostria momba ny fiaramanidina. Mba ahafahana mitrandraka tsy misy bedy ireo zava-tsarobidy ireo dia mampiasa «rebelles» na mpikomy avy amin’ny tany manodidina an'ny RDC ireo mpijirika mba ahafahany mifehy ny «carrières» na toeram-pitrandrahana maro isan-karazany. Manoloana izany, inona ny zava-misy eto Madagasikara? Ny toerana misy zava-tsarobidy maro toy ny volamena sy safira dia any an-kodahoda tsy taka-maso ary matetika miara-miasa amin’ny dahalo ny mpitrandraka mba hitandro ny fandriam-pahalemana. Misy indray be baoty mihitsy no miambina ao. Matetika ireny zava-tsarobidy ireny mivoaka an'i Madagasikara tsy re tsaika. Ankoatran'izay dia manana akora fototra ilaina amin’ny «Transition Énergétique» na fivoarana amin’ny fampiasana angovo koa isika raha tsy hilaza afa-tsy ny Nickel, Cobalt, Graphite, Lepidolite na lithium. Be mpitsiriritra i Madagasikara noho izay antony izay. Efa nanome tari-kevitra antsika teto ny mahay mialoha ny fifidianana filoham-pirenena fa vitsy no nandray azy ho matotra. Mifanao «bras de fer» na fifandroritana eto ny tantsinanana sy ny tandrefana mahakasika ireo zava-tsarobidy sy ny akora ilaina amin’ny «Transition Énergétique» ireo. Samy manana olona ao anaty fitondrana ireo hery roa mifanandrina. Ato ho ato dia tsy maintsy voatery hampiseho ny safidiny miharihary ireo karazan'olona ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-juin-2024

Efa tena lasa halatra bevava amin’ny fomba mihaja ankehitriny ity tolotra amin’ny fifandraisan-davitra ity.

Card image cap
28-juin-2024

Antananarivo renivohitra, alakamisy 26 jona atoandro. Zazalahikely miisa 5 , 10 taona eo ny salan-taona.

Card image cap
27-juin-2024

Vahoaka malagasy, liana amin’ny afomanga fa tsy liana amin’ny hoavy,

Card image cap
27-juin-2024

Navoakan’ny vaovao an’habaka iray omaly, fa 386 300Ar eo ny saran’ny tambajotra

Card image cap
27-juin-2024

Azo ambara ho fahombiazana ny hetsika hira gasy, nokarakarain’ny fikambanana

Card image cap
27-juin-2024

Nankalaza ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena isika omaly Talata 26 Jona.

Card image cap