airtel

Actualités

22-août-2024

Hetsika ara-toekarena FIM, FIA, SIH, SITLM,…

Horaisin’ny Madavision an-tanana manomboka ny 2025

Sample post image

Horaisin’ny Madavision, izay tantanan’ny tale jeneraliny, Harilala Ramanantsoa,

22-août-2024

an-tanana manomboka amin’io taona 2025 hitsidika io ny fikarakarana ireo hetsika fanao teo anivon’ny Hazovato Forello Expo Tanjombato teo aloha, raha ny fampitam-baovaon’ireo tomponandraikitra voakasik’izany tetsy amin’ny Ibis Akorondrano omaly. Isany, hoy ny fanazavana, ny FIM na Foara iraisampirenena eto Madagasikara, ny Foara iraisampirenena momba ny fambolena na FIA, ny Foara iraisampirenena momba ny fonenana na SIH ary ny «Salon international du transport, de logistique et de Manutention» na SITLM, izany hoe ny hetsika iraisam-pirenena momba ny fitantanana sy fataterana eto Madagasikara. Isaorana, hoy ny tale jeneralin’ny Madavision, ny talen’ny Forello Expo, Laélia Dijoux Monloup, sy ny filoha tale jeneraly, Gérard Monloup, ary ireo mpiara-miasa rehetra tamin’ny nanomezan’izy ireo fitokisana tamin’ny fiaraha-miasa teo aloha, indrindra, ny fanomezana izao fifanarahana ara-barotra izao. Amin’ny taona hoavy izany dia ny Madavision no hikarakara ireo hetsika rehetra ireo miampy ireo hetsika efa fikarakaranay hatramin’izay toy ny «La grande braderie de Madagascar», ny «Salon de la gastronomie», ary ny «Salon de l’innovation», izay napetraka ho fanamby ho tanterahina amin’ny fomba tena manara-penitra sy matihanina ka hahafahan’ireo matihanina amin’ireo sehatra ireo mandray anjara, hoy hatrany i Harilala Ramanantsoa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap