izay iarahan’ny birao nasionaly misahana ny famarinana olona na BNLTEH amin’ny Firenena mikambana na ONU sy ny polisy iraisampirenena na Interpol ho tontosaina eto Madagasikara. Hetsika izay hampahafantarana ny malagasy ny antsoina hoe famarinana olona na «traite des êtres humains» izy io, hoy ny fanazavana, ary handray anjara voalohany amin’izany, araka izany, i Madagasikara. Iaraha-mahalala fa volabe hatrany amin’ny 15 miliara Dolara amin’izao fotoana izao no vola miodina amin’izany antsoina hoe famarinana olona eto amin’izao tontolo izao izany. Matetika tsy azon’ny olompirenena an-tsaina fa isan’ny tafiditra anatin’izany antsoina hoe famarinana olona izany, ohatra, ny fampiasana tafahoatra ireo mpiasa an-trano, ny fanerena olona hanambady, fanerena hanambady vazaha, ny fandefasana zaza sy ankizy hangataka eny an-dalambe. Ny taona 2014 no nanomboka ny ady amin’ny famarinana olona eto Madagasikara, izay faritan’ny fehezan-dalàna 2014-040. Novolavolaina hifanaraka tamin’izany koa ny paikady nasionaly hiadiana amin’izany. Ny 27 aprily 2018 kosa no nivoaka ny didim-panjakana nampahafantatra ny fitsanganan’ny antsoina hoe BNLTEH na Birao nasionaly misahana ny ady amin’ny famarinana olona eto amintsika. Ahitana mpikambana miisa 23 izany ka olom-panjakana ny 16 amin’ireo. Minisitera miisa 8 kosa no miara-miasa akaiky aminy. Ny taona 2022 vao nanana politika nasionaly iadiana amin’izy ity i Madagasikara ary nivoaka tamin’izany ny paikady nasionaly faharoa natao ho tanterahana anaty 3 taona. 2024 vao tena vita ny drafi-panatanterahana azy io ary isany ny fanomezana fiofanana ireo mpiantsehatra amin’izany ady izany toy ny mpanao gazety, fiarahamonim-pirenena, sampan-draharaha samihafa. Fototr’ilay politika ny hoe «Inona no anton’ilay famarinana olona dia ahoana no isorohana azy?». Araka ny tatitra ny rafitry ny firenena mikambana na UNODC ny taona 2020 dia firenena miisa 152 amin’ny 166 no ahitana trangana famarinana olona. Ny fifanarahan’i Palerme na «Protocole de Palerme» ny 25 desambra 2003 moa, raha tsiahivina, no nanombohana izany ady amin’ny famarinana olona izany, raha ny fanazavana voaray hatrany.
J. Mirija
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA