làlan-tsaina entin’i Tahina Razafinjoelina ao anatin’ilay hoe : « Tsotra, MARINA, Mahomby ». Anisan’ny mpiara-manorina azy io ny mpahay lalàna Rtoa Vola Ny Aina Ramanamizao sy Atoa Lucien Barthélémie Inspecteur général de police, Ratsitoarivony Parfait, Docteur en criminologie, manana ny mari-pahaizana manokana maneran-tany amin’ny fanadihadiana momba ny tsy fandriampahalemana. Natao mba ho fanampiana sy hanomezana tantsoroka an’ireo olom-pirenena samihafa tratry ny tsindrihazolena, ka ho hita ao anatin’io Birao ny mpahay lalàna, mpisolovava, firaisamonim-pirenena, manam-pahaizana momba ny fitandroana ny filaminana, manam-pahaizana momba ny siantsa politika,... Natao hiahy ireo iharan’ny herisetra satria maro matetika no mandefitra fotsiny, tsy hainy mazava hoe aiza no aleha na iza no atonona dia ahoana ny an-tanan-tohatry ny fitarainana. « Izahay no hisolo tena azy, hitoroka eny amin’ny ambaratongam-pahefena mikasika ny lalàna manoloana ny tsy rariny. Misy ny fahatahorana noho ny ramatahora, ny fanampenam-bava,… ka isan’ny hanabeazana ny olona ny hoe : mila sahy mijoro avy eo », hoy ny mpahay lalàna Vola Ny Aina Ramanamizao, izay nanamarika fa maimaimpoana io. Anisan’ny ohatra noraisiny ireo lasibatry ny Jirama, ny olan’ny fananan-tany,... Eto amin’ny kaominina Antananarivo ohatra, dia misy ny iharan’ny tsy rariny ireo mpivarotra itakiam-bola tsy ara-drariny, betsaka no manana olana amin’ny fahazoan-dàlana hanorina na « permis de construire ». Tanjona ny hiadiana ho an’ireo olona izay iharan’ny tsy rariny, ka betsaka ny endrika mety isehoany arakaraka ny dosie sy raharaha tonga eo am-pelantanan’izy ireo. Mety misy ny eny amin’ny Fitsarana, any amin’ny mpitandro filaminana, Filankevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna na HCDDED,… Hanaraka hatrany ireo dosie mandra-pahatonga any amin’ny tanjona hivoahan’ny rariny, hoy hatrany ny fanamarihana. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana ihany koa, rehefa nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny raharaham-pifidianana izay azony atao rehefa misy ny zavatra tsy marina sy mandika, ka nanentana ihany koa ny fanentanana nataon’izy ireo amin’ireo olom-pirenena tsy anaty lisi-pifidianana mba hanantona azy ireo maika dia maika etsy Sonierana hanomezana tan-tsoroka amin’ny fakana « ordonnance » izay tokony hatao mialohan’ny 30 novambra izao moa io. Eny Sonierana ny Foiben’ny IF, ary azo antsoina amin’ny laharana 0386991087.
Toky R
Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.
Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.
ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024
Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA