airtel

Actualités

06-sept-2024

Jean Marc, maty notifirin’ny polisy teny Ambodin’Isotry

Manitrikitrika ny havany fa tsy jiolahy, niniana novonoina,…

Sample post image

Namoaka fanambarana mikasika ny famonoan’ny polisy an’ilay tovolahikely 19 taona

06-sept-2024

mitondra ny anarana Rakotoson François Jean Marc mponina eny Ankasina ny fianankaviany omaly, ka nilaza fa tsy jiolahy ny havan’izy, saingy novonoina ankitsirano ny 30 aogositra 2024 tamin’ny 4ora maraina teny Ambodin’Isotry. Nirahin’ny reniny nividy fahana finday na « crédit » nitondra vola 5000 saingy tsy niverina intsony, ary tsy nisy nandray ny finday rehefa nantsoina, fa ny fatiny sisa no noraisina. Mpanendaka sy jiolahy mpamerin-keloka, ary namoaka sabatra no voalaza fa antony nitifiran’ny polisy azy. Samy nandiso an’io anefa na ireo Raiamandreniny na ny mpiara-monina aminy, ka nanazava fa nosamborina tokony ho tamin’ny 7 ora harivan’ny 29 aogositra i Jean Marc. Tifitra teo amin’ny tendany sy ny fony ary ny kibony avy aty anoloana no ambaran’ny havany. Nilaza ireo fianankaviany, fa nisy vavolombelona nanatrika izany. Ny marainan’ny 30 aogositra tokony ho tamin’ny 4ora maraina, zaza efa nandohalika nifona no nodakana, ary nitsirara tamin’ny tany, ary nisy vavolombelona nahita an’izany, hoy ireo havany. Tsy hita teny aminy intsony ny finday sy ny vola ary ny peratra teny aminy. Porofoy mazava fa misy zavatra na raharaha efa nanenjehana azy, na sariny milaza izany, ary ataovy « pièce à conviction » ny finday lazainareo fa nangalariny, hoy ireo havany. Andaniny, vao niseho ny raharaha, dia nanao taratasy ny fokontany, vaomieran’ny fandriampahalemana, ny 30 aogositra fa : i Jean Marc dia tsy mpangalatra, tsy misotro toaka, tsy mifoka, ankizy tia fianarana,… ka nanaovan’izy ireo fanamarihana hampiseho an’izay rehetra mila izany. Nanasonia izany moa ireo mpiara-monina tamin’i Jean Marc. Mpianatra tao amin’ny LMA Ampefiloha kilasy famaranana ity tovolahy matin’ny polisy ity, ary tsy nisy taratasin-tsazy momba azy, raha ny fanamarihana. Hampiakatra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana ny fianankaviany anio, ary miantso ny Minisitry ny Fitsarana. Andrasana ny mety ho setriny avy amin’ny Polisim-pirenena sy ny tohin’ny raharaha !
Toky R
 

Dans la même rubrique

12-sept-2024

Tanterahina ao anatin’ny 2 andro nanomboka omaly 11 septambra hatramin’ny anio ny fakan-kevi-paritra

Card image cap
12-sept-2024

Maro ny mpitondra Fanjakana ambony voasaringotra amin’ny raharaha kolikoly goavana,

Card image cap
12-sept-2024

Vanim-potoanan'ny rivodoza vao mba mahazo orana ny tanimbarin'i Mahajanga,

Card image cap
12-sept-2024

Voasokajy ho anisan'ireo renivohitra maloto sy mikorontana indrindra eto ambonin'ny i Antananarivo.

Card image cap
12-sept-2024

Miha zava-doza hatrany ny fahatapahana herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina.

Card image cap
12-sept-2024

Mitombo isa isan’andro ireo tovovavy mitady vady vazaha amin’ny tambajotran-tserasera Facecook amin’izao.

Card image cap