airtel

Actualités

05-juil-2024

Actualités

JEJOO sy ny EFOI Mifanome tanana hanampy ny vehivavy amin'ny fandraharahana

Sample post image

Efa hatrany am-piandohana no miasa ho an’ny vehivavy ny Jejoo le quotidien des femmes amin’ny alalan’ny

05-juil-2024

plateforeme JEJOO” sy ny Club Jejoo. Iray amin’ny sahan’asa voizin’ny JEJOO ny fampiroboroboana vehivavy mpandraharaha amin’ny lafiny rehetra. Miara miasa amin’ny sehatra sy fikambanana maro izy ireo amin’ny fanatanterahana izany, izay marihana fa niampy iray indray satria nanaiky ny hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ny JEJOO ny Fikambana Entreprendre au Feminin de l’Ocean Indien na EFOI. Fiara miasa efa nisy ihany izy ity saingy nohamafisina tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonina anio tetsy Ankorondrano. Araka ny fanazavan-Rtoa Bodonirina RAMAVOARIFETRA, mpandrindra ny EFOI Analamanga dia saika iraisana ny olana sedrain’ny mpandraharaha Malagasy. Mahatsiaro manana adidy amin’ny fanampiana ireo vehivavy sy tanora liana sy miroso amin’ny sehatry ny fandraharahana, izay tena mihabetsaka hatrany ny EFOI. Toy izay ihany koa ny JEJOO izay manampy sy manome tanana azy ireo. Haharitra 2 taona ny fiaraha-miasa izay hifantoka amin’ny lafin-javatra maro hoy ny tonian-dahatsoratry ny JEJOO, Ando Nandrianina.
Lalaina RAV

 

Dans la même rubrique

04-oct-2024

Tahaka ireo toerana sy fokontany maro teto Antananarivo sy ny Renivohitra,

Card image cap
04-oct-2024

Tsy mitondra fampandrosoana ny tanindrazana iombonana ny fifandirana sy ny disadisa ateraky

Card image cap
04-oct-2024

Sady manimba no tsy afaka hanamboarana ny simba koa, etsy ankilan’izay,

Card image cap
04-oct-2024

Ny JIRAMA sy ny fifandraisan-davitra efa manao ny ataony amin’izao fotoana izao

Card image cap
04-oct-2024

Mahatratra 500 isa isan-taona ireo mpilatsaka an-tsitrapo Frantsay tonga eto amintsika

Card image cap
04-oct-2024

Mihanatanora hatrany ireo vehivavy tratry ny homamiadan’ny nono eto amintsika,

Card image cap