airtel

Actualités

18-oct-2024

KIANJA FILALAOVAM-BAOLINA AO ANDROHIBE

Niverina indray ny adin’ny FLM sy ny fokonolona

Sample post image

Niverina indray ny adin’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ireo fokonolona ao Androhibe mikasika ilay kianja filalaovam-baolina ao an-toerana.

18-oct-2024

Nofefen’ny Fiangonana nanomboka omaly Alakamisy 17 Oktobra maraina indray mantsy io kianja filalaovam-baolina io izay nampitroatra ny fokonolona ka nanosika ireto farany nilanja sora-baventy nanohitra izany. Tonga teny an-toerana vokatr’izany mihitsy ny mpitandro ny filaminana nahitana ny EMMOREG sy ny vadintany izay niezaka nanazava tamin’ireo mponina ny mombamomba ny tany no sady nanaparitaka azy ireo. Efa nomen’ny Fanjakana ny FLM foibe mantsy ny tany, raha ny fantatra ary nahazo 5 taona hahafahany manohy ny asa tokony hataony ny FLM ao Androhibe. Nambaran’ireo fokonolona moa fa ny tsy fananan’ireo tanora ao Androhibe toerana hahafahana manao fanatanjahantena sy miala voly intsony no tena mampalahelo azy ireo, antony mampirongatra ny fidonanam-poana sy ny fandraisana zava-mahadomelina ka tsy tokony hokitihina. Ho an’ny FLM eny an-toerana moa dia notsindriany fa afaka miresaka amin’ireo fokonolona tsara izy ireo raha ilaina izany no sady tsy miady tany ihany koa.
Pati
Legende : Ity ilay kianja hiadiavana izay tanim-panjakana !

 

Dans la même rubrique

18-oct-2024

Lasa fambolena fahasahiranam-bahoaka ankehitriny ny fikarakarana taratasim-panjakàna eto Madagasikara,

Card image cap
18-oct-2024

Fanontaniana mipetraka voalohany amin’izao fotoana izao dia ny hoe roso amin’izay

Card image cap
18-oct-2024

Tandindonin-doza noho ny tsindry ataon’ny politisianina sy ny tompon’andraikitra ara-panjakana

Card image cap
18-oct-2024

Tra - tehaky ny Polisinny SCES noho ny resaka fisolokiana sy famarinan'olona ny teratany etiopianina iray ny 24

Card image cap
18-oct-2024

Asa 3 avy hatrany no natomboka teny Antohomadinika centre omaly alakamisy tamin’ny alalan’ilay

Card image cap
18-oct-2024

Tsy misy fizarana fiara 4x4 izany ao Mitsinjo Namakia fa orinasa mpanao siramamy no misy any an-toerana hoy Atoa Anifo Antonio,

Card image cap