airtel

Actualités

20-août-2024

Kolikoly mandetika Firenena

Ampangain’ny zava-misy hatrany ny mpitondra…

Sample post image

Tsy nahomby ny paikadim-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly na ny SNLCC (Stratégie Nationale de Lutte contre la Corruption) 2015-2025,

20-août-2024

araka ny tatitra ofisialy nivoaka andro vitsy lasa izay. Nahafahana nilaza fa mbola tena mbola ambony dia ambony ny haavon'ny kolikoly eto Madagasikara, ary tsy nisy fiantraikany lehibe tamin'ny laharana iraisam-pirenena momba ny fandraisana ny kolikoly sy ireo mari-pamantarana hafa nasionaly, rejionaly, ary iraisam-pirenena ireo fepetra izay noraisina tao anatin'ny SNLCC. Miharihary ihany koa fa mbola kobaka am-bava no betsaka, raha raisina amin’ny firesaky ny mpitondra miainga any an-tampony satria ny fitantanam-bolam-panjakana sy rafi-panjakana no tena lohalaharana amin’ny kolikoly. Tsara moa ny manamarika, fa any amin’ny laharana faha-147 amin’ny firenena 180 isika raha ny fanasokajian’ny Transparency International, ary faha-134 amin’ny firenena 142, raha ny tatitry ny World Justice Project, izany hoe : anisan’ireo Firenena 10 voalohany be kolikoly indrindra. Tsy nahavita nanatratra ny tanjona stratejika rehetra notratrarina ny SNLCC, ka anisan’ny antony goavana ny fahasarotana eo amin'ny sehatra politika, ara-toekarena, ary sosialy izay nanatanterahana azy, ny tsy fisian'ny fiaraha-miasa sy ny fanohanan'ny rafi-panjakana, ny tsy fahampian'ny fanaraha-maso tsy tapaka momba ny fanatanterahana azy, ary ny tsy fahampian'ny lafiny arak’olombelona sy ara-bola. Tsara homarihina fa ny SNLCC dia tsy nahavita nampitombo ny fahatokisan'ny vahoaka amin'ny fanenjehana mahomby ny kolikoly, fanafoanana ny tsy maty manota ho an'ireo izay manao kolikoly, izay mbola mampandringa ny ady amin’ny kolikoly. Ny faharefoana eo amin’ny sazy ara-pitsarana sy ara-pitsipika eo amin'ny raharaha kolikoly lehibe dia sakana lehibe amin'ny fanenjehana mahomby ny kolikoly, raha ny tatitra. Voalaza moa fa eo am-pamolavolana azy ny SNLCC vaovao amin'izao fotoana izao, ka ny dingana voalohany, dia io ny fanombanana ny SNLCC 2015-2025, izay efa vita, ary ny dingana faharoa amin'ny fanamboarana ny SNLCC vaovao, dia ny fanaovana ny fihaonambe isam-paritra sy isam-sehatra, dia nanomboka omaly 19 Aogositra 2024. Sakana ho an’ny firenena tsy hahafahany mampiroborobo ny toekarena, tsy hiaro ny harena voajanahary, ary tsy hanome ny fidirana amin'ny tolotra sosialy tsara kalitao ny kolikoly, manitsakitsaka ny zon'olombelona, ary fositra amin'ny fananganana tontolo tsara ho an'ny fampiroboroboana ny raharaham-barotra sy ny fampiasam-bola,… Tena mbola mila ezaka i Madagasikara, ary ho sarotra ny ady amin’ny kolikoly raha mbola miainga any avy any ambony ny ohatra ratsy.
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap