airtel

Actualités

25-juin-2024

Lalànan’ny asa vaovao nolaniana tsy nisy fanintsiana

«Tomponandraikitra amin’ny fahavoazan’ny mpiasa malagasy ireo depiote»

Sample post image

Ny Randrana sendikaly dia tsy miditra amin’ny resaka olona ka hitaky hoe esory

25-juin-2024

ranona na esory ranona, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga. Rehefa tsy mahavita, hoy izy, dia tsy mahavita. Rehefa tsy mijery ny tontolon’ny asa dia tsy mety aminay na iza na iza. Tsy olana aminay na iza atao minisitra eo. Manolon-kevitra izahay hoe ity no tokony hijerena ny fampiroboroboana ny tontolon’ny asa fa raha izao kosa dia ohatran’ny hoe nihazakazaka nanao afo mololo fotsiny ramatoa minisitra tamin’ny fanenjehana ireny 100 andro ireny fa rehefa jerena ny ankehitriny dia misy fanavakavahana ara-tsendikaly mihitsy aza kay. Ireo kinamanamana ao amin’ny minisitera fotsiny no antsoina hanao ny adihevitra mikasika ny tontolon’ny asa. Samy manana ny paikadiny moa ny sendika rehetra fa ho anay dia tsy misy izany fotoana hanginana izany fa mitohy foana ny tolona satria misy foana ny olana eo amin’ny tontolon’ny asa ary dia hiha mafy fotsiny izany izy ato ho ato. Namoaka iny resaka didim-pitondrana mikasika ny fisoloana tena eo anivon’ny mpiasa izay mampiomehy iny ny fanjakana hoe 2022 sy 2024, aty amin’ny 28 martsa 2024 vao avoaka. Ny olona nalefa nisolotena ny mpiasa tany Genève indray tsy ara-dalàna satria tsy hita tao amin’ilay sendika miisa 4 tokony hanana solontena dia izao indray nivoaka ny fehezan-dalàna mifehy ny asa vaovao izay hoe lany tsy nasiam-panitsiana teny amin’ny antenimieram-pirenena. Tany amin’ny tambazotran-tserasera moa dia naseho hoe nisy ekipa tekinika be dia be teo anivon’ny minisitera no nanolotra izany. Eo izany dia efa itodihana amintsika rehetra manaraka ny resadresaka dia hoe efa in-2 no nitondra volavolan-dalàna teny amin’ny solombavambahoaka ny Randrana sendikaly hanatsarana io tontolon’ny asa io, nanala ny andininy maromaro izay mamotika ny mpiasa ao. Efa nomena ny kaominisionina sosialy izany, nomena ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Ramatoa moa no tao tamin’izany fa izao efa rangahy indray dia mihevitra izahay fa misy ny atao hoe fitoizan-draharaha na «continuité de service» ao anatin’ireny raharaham-panjakana ireny. Nihevitra izany izahay hoe tokony hisy ny fifampiantsoana eo amin-drizareo satria rehefa nanatitra ireny taratasy ireny teny anivon’ny solombavambahoaka izahay dia nanambara izy ireo hoe resaka tekinika ity sady mahakasika ny mpiasa iraimanontolo, tsy misy idiran’ny hoe mpanohitra na eo amin’ny fitondrana, fa ny rehetra dia antsoina mihitsy ianareo hifanazava ao anatin’ity. Gaga izahay fa tsy nisy ny fiantsoana ny Randrana sendikaly rehefa nandeha ny fandaniana izany teny amin’ny antenimieram-pirenena. Nivoaka ilay izy avy eo dia hoe lany tsy misy fanitsiana. Iny lalàna iny nefa misy hoe 2 taona in-droa no azo avaozina ny fifanarahanao, izany hoe, CDD na sohobakaka ambodiriana izany ianao mandritry ny 6 taona. Ny fampiatoana tekinika na «chômage technique» eto efa 6 volana, fara-idiny mijaly ny mpiasa malagasy dia mbola ao anatin’iny indray hoe azo alavaina mandritry ny 12 volana ny 6 volana, izany 1 taona ngarangidiny ilay olona miantona ara-tekinika. Misy andininy maromaro any manitsakitsaka ilay andininy faha 87 ao amin’ny fifanarahana iraisampirenena mikasika ny fahalalahana sendikaly. Misy izany hoe miera any amin’ny mpampiasa rehefa haka ny latsakemboka na «cotisation» an’ny sendika. Izany no ao anatin’io lalàna nolazaina fa lany tsy misy fanitsiana io. Tsy solombavan’ny mpiasa izany ny solombavambahoaka tamin’ity indray mitoraka ity fa ho tomponandraikitra amin’ny fahavoazan’ny mpiasa malagasy kosa. Tokony niantso anay rehefa tsy nahay. Fahavalon’ny mpiasa malagasy izay solombavambahoaka nanaiky an’io tsy nisy fanitsiana. Izay no nahatonga anay nilaza hoe hihamafy ny tolona sendikaly ato ho ato, hoy hatrany ny fanamafisan’ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-juin-2024

Efa tena lasa halatra bevava amin’ny fomba mihaja ankehitriny ity tolotra amin’ny fifandraisan-davitra ity.

Card image cap
28-juin-2024

Antananarivo renivohitra, alakamisy 26 jona atoandro. Zazalahikely miisa 5 , 10 taona eo ny salan-taona.

Card image cap
27-juin-2024

Vahoaka malagasy, liana amin’ny afomanga fa tsy liana amin’ny hoavy,

Card image cap
27-juin-2024

Mba saino kely ry malagasy havako, hoy ny kandida ho solombavambahoaka farany teo,

Card image cap
27-juin-2024

Navoakan’ny vaovao an’habaka iray omaly, fa 386 300Ar eo ny saran’ny tambajotra

Card image cap
27-juin-2024

Azo ambara ho fahombiazana ny hetsika hira gasy, nokarakarain’ny fikambanana

Card image cap