airtel

Actualités

04-oct-2024

Lanto Eric Randrianarimalala

«Tsy sosialista Andriamanitra»

Sample post image

Ny fisainana sosialista dia tsaky popy, vatsy tsinjo, kaly tsinjo sy ny toy izany,

04-oct-2024

hoy ny mpandraharaha Kristianina, Lanto Eric Randrianarimalala. Tsy mba toetsaina Kristiana na ny mizara na ny miandry fanampiana lava, hoy izy. Raha fotoana manokana dia eny. Toy ny faran’ny taona na Krismasy fa tsy hoe isan’andro vaky izao dia hoe mila na mizara fanampiana. Mila miasa isika tompoko! Ampirisiho hiasa ny olona! Aza miompy mpangataka tompoko! Tsy kolontsain’ny zanak’Andriamanitra ny mitoetra na mampitoetra olona anaty fahantrana. Tsia! Izay tsy mety miasa, aoka izy tsy hihinana! Matetika ny asa soa atao dia entina ahazoana «image» na fampisehoana fa mitsinjo ny sahirana ianao kanefa rehefa dinihina lalina dia mahasoa lavitra ny manangana orinasa manana sanda 1.000.000.000 Ariary noho ny manome olona 100.000 isa vola 10.000 Ariary avy. Ny fizaràna vola dia mampihena ny herim-panovana entin’ny vola. Tokony ho fady mihitsy izany fizarana vola izany raha olona mahay mitantana sy mitady fandrosoana. Aleo foana ny vola bolongana anaovana «investissement» na fitsinjovana ny hoavy. Raha manana 40.000.000 Ariary aho dia aleoko manao «investissement» amin’ny sanda 40.000.000 Ariary toy izay hanome vola 100.000 Ariary avy olona 400 isa. Tsy hanova ny fiainany izany vola 100.000 Ariary izany satria ho lany anaty 10 andro raha ela indrindra nefa ilay 40.000.000 Ariary mety mahatsangana orinasa mamelona olona 10, 50, 100 mandritra ny 100 taona. Tao anaty Baiboly tokoa dia i Jodasy no nanana izany toetsaina izany hoe amidy ny menaka dia zaraina ho an’ny malahelo ny vidiny. Fa tsy hitany ilay «potentiel» na angovo tao anatin’ilay menaka. Raha misy zavatra manana «valeur» na lanja be ao aminao dia tandremo sao hihevitra hoe tokony amidy ity dia omena ny malahelo ny vidiny. Tsy fahaizana mitantana izany. Mety tsy takatry ny saintsika ny nampiasan’ilay vehivavy ilay menaka lafo vidy aloha hatreto fa sitrak’Andriamanitra raha ampiasainao ny zavatra anananao hanaovana zavatra hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny hoe amidy dia zaraina amin’ny malahelo. Niteny foana aho. Tsy sosialista Andriamanitra. Tsy mitovy daholo ny olona eo anatrehany. Avahany ny olona misaina tsara sy mitady izay sitrapony amin’ny olona tsy mety handinika ary izay mazoto miasa sy manome asa ny hafa dia tiany kokoa noho ny mpanao asa soa tsy maharitra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

04-oct-2024

Tahaka ireo toerana sy fokontany maro teto Antananarivo sy ny Renivohitra,

Card image cap
04-oct-2024

Tsy mitondra fampandrosoana ny tanindrazana iombonana ny fifandirana sy ny disadisa ateraky

Card image cap
04-oct-2024

Sady manimba no tsy afaka hanamboarana ny simba koa, etsy ankilan’izay,

Card image cap
04-oct-2024

Ny JIRAMA sy ny fifandraisan-davitra efa manao ny ataony amin’izao fotoana izao

Card image cap
04-oct-2024

Mahatratra 500 isa isan-taona ireo mpilatsaka an-tsitrapo Frantsay tonga eto amintsika

Card image cap
04-oct-2024

Mihanatanora hatrany ireo vehivavy tratry ny homamiadan’ny nono eto amintsika,

Card image cap