airtel

Actualités

28-août-2024

Legioma ao Mahajanga

Midangana ny vidin’ny ovy sy karaoty

Sample post image

750 hatramin’ny 850 Ariary amin’izao fotoana izao ny kapoakam-bary ao Mahajanga ao,

28-août-2024

raha ny fampitam-baovaon’ny mponina any an-toerana. Tsy amidy amin’ny kilao moa ny vary aty, hoy izy. Azo lazaina ho lafo ihany izany satria akaiky i Marovoay saingy noho ny haratsin’ny lalana dia tsy tafakatra ny vokatra. Ny legioma toy ny ovy sy karaoty no tena lafo vidy satria 1000 Ariary izao ny fahefany amin’ny ovy nefa eto Antananarivo 1400 Ariary ny kilao. 1000 Ariary koa ny fahefany amin’ny karaoty nefa eto Antananarivo 2000 Ariary ny kilao. Ny voatavo no mora satria saika mpamboly voatavo ny mponina. Ny anamamy sy anamalaho koa mora, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny mponina any an-toerana mikasika izay vidina legioma sy sakafo ilaina an-davan’andro ao Mahajanga izay. Azo lazaina ho renivohi-paritra isan’ny be mpiala sasatra moa i Mahajanga. Amin’ny ankapobeny, raha ny fampitam-baovao voaray avy eny anivon’ireo tobim-piantsonam-piara eto Antananarivo kosa, dia mbola maro ihany amin’izao fotoana izao ireo, ireo fianakaviana, fikambanana, mpinamana mikarakara fidinana na koa koa hoe mivonona ny mbola hidina any amin’ity renivohitry ny faritanin’i Boeny ity amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap