Hihena hatrany ny famokarana herinaratra ka hisy fahatapahan-jiro mifandimby, mandritra ny ora iray, eo anelanelan'ny amin'ny 1 Ora folakandro sy amin'ny 5 Ora hariva sy amin'ny 11 alina ka hatramin'ny 4 ora maraina, izay maharitra ora roa, araka ny seraseran’ny Jirama. Nambara fa miha mihena hatrany ny haavon'ny tohodrano mpamokatra herinaratra ao Andekaleka noho ny fidirana amin'ny haintany. Milaza indray mantsy ny Jirama fa miiba 2,2 metatra izany raha oharina amin'ny haavo azo ampiasaina, ka tsy maintsy fenoina ny tohodrano mba hahazoana ny haavo ilaina amin'ny famokarana. Noho izany, tsy maintsy hahena ny tosiky ny rano alefa amin'ireo vondrom-pihariana herinaratra mandeha amin'ny rano, ka antony mampihena ny famokarana sy mampitombo ny delestazy efa mangotraka. Miha zava-doza andro aman’alina ny fahatapahana. Ny rano manampy trotraka ! Leo sy tofoka ny vahoaka, ka dia raikitra indray ny fidinanana an-dalambe tetsy 67HA omaly takariva, izay endrika isehoany. Tapaka tanteraka ny fifamoivoizana. Nandoro kodiarana teny an’arabe ny vahoaka !
KABARY BE, ASA KELY
Izay asa natombontsika dia tsy maintsy vitaintsika, arry izay vina napetraka dia tsy maintsy tanteraka, hoy i Andry Rajoelina izay. Tenina filoham-pirenena izany fa tsy hoe ankizy milalao vovoka sy manao tantara vato. Noresahany sy fitondram-panjakana tarihiny ny herinandro voalohany tamin’ny volana janoary 2024 ny Tetikasa « Water Three » iarahana amin’ny Vondrona Eoropeana : fanoloana ny fantson-drano efa antitra sy arafesina rehetra mirefy 180 km manerana an’Antananarivo. Eo ihany koa ny asa fanatsarana ny eny Mandroseza noho ny fahanteran'ny ivon-toerana famokarana rano ao .Nambara ary tamin’izany fa hoe nanamboatra ivotoerana vaovao mirefy 40m3 ny fitondram-panjakana ary efa vita izany ka ho tokanana tsy ho ela. Izay ny kabary sy ny fanambarana sy ny tetikasa, fa ny zavatra iainana eto Antananarivo sy ny manodidina aloha tato anatin’ny 3 volana izao dia tena zava-doza ny rano, amin’ny alim-be no mandahatra « bidon » haka rano ny olona. Efa notaterintsika teto ny volana mey teo fa 60 000m3 isan’andro ny tsy fahampian-drano eto Antananarivo, ary ny 48% amin’ny tanàna no faritra mavo tsy misy rano afatsy amin’ny alina, 18% ny faritra mena tsy misy mihitsy na andro na alina. Maro be ny tokantrano efa tsy mahazo intsony izany ranon’ny Jirama izany tahaka ny eny Ivato, Andoharanofotsy, Itaosy…Tsy ampy intsony ny rano vokarina ao Mandroseza, nolazaina fa efa mandeha ny fanadiovana ireo rano avy amin’ny renirano saingy tena mbola lamaody ihany ny milahatra rano aloha eto amin’ny renivohitr’i Madagaskara amin’izao taona 2024 izao. Tsy misy vahaolana hita hoe mahomby sy maharitra hatreto raha ny rano fisotro madio, mbola tsy resahana aza ny any amin’ny faritra atsimon’ny nosy hoe hanamboarana pipeline, hitaterana ny rano izay fampanantenana efa tamin’ny andron’ny Covid 19 izany hoe ny taona 2020.
HERINARATRA MIVARALILA
Mikasika ny herinaratra kosa dia nisy ny fandaharan’asa izay tokony nentina nanampiana ireo gropy 3 efa nisy tao Andekaleka saingy noho ny fahamaizana izay niseho tao amin’ity toby famokarana herinaratra ity dia ny hanarina ireo gropy simba vokatr’izany no voatery hatao mialohan'ny fametrahana izany gropy faha-4 izany, hono. Dia nolazaina indray tamin’io (10 janoary 2022) fa mila miaritra kely fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy. Andelakela izay miantoka ny ampahany betsaka ny herinaratra ho an’ny tambazotra Antananarivo na RIA io. Ny 400MW tao anatin’ny 5 taona moa efa miharihary hitam-poko hitam-pirenena fa poakaty ! Maro ihany izay fametrahana fitaovana sy fitsidihana natao tao Andekaleka izay fa ny hita aloha dia mamoaka fanambarana isan’andro ho an’ny delestazy mitety faritra ny Jirama. Mazava ho azy fa rehefa tapaka ny jiro dia tsy mandeha ireo milina mpanosika ny rano dia tapaka koa izany rano. Tsy misy mandeha amin’izay laonina ary tena simba ny fihariana sy ny fitadiavan’ny olona, kanefa ny vahoaka ampandoavina 5% mihoatra rehefa tara ny faktiora. Inona no handoavany faktiora kanefa ny fivelomany potika ? Misy akony ratsy any amin’ny toekarena io tsy fahampian-drano sy herinaratra io, ka rahoviana moa izany ilay hoe : Madagasikara tsy maintsy Mandroso e !?
Toky R
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny volana
Melohin’ireo orinasa misehatra amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday eto Madagasikara,
Raha vao tsy miala mihitsy isika amin’io fampiasana famatsiana herinaratra na «groupe électrogène»
Isan’ny vinan’asan’ny kandida ho ben’ny tanàna, Lolitah Rasoarimanana, ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana,
Somary mafampana tsy dia mafana hatreto ny atao hoe «ambiance électorale»
Mandalo krizy ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha miara-mitantana ny antoko politika MFM,