ny fanomezana asa ho an’ny tanora. Tena betsaka, hoy ity kandida ity, ny tanora tsy an’asa. Amin’ny alalan’ny fananan’asa nefa, hoy izy, no ahafahan’izy ireo mampiana-janaka. Be ihany koa tsinona ny ankizy tsy mianatra. Eo koa ny tsy fisian’ny EPP amina fokontany miisa 2 amin’ireo 6 eto Ambavahaditokana. Vina koa izany izay hametraka EPP izay sy lisea satria tsy misy lisea mihitsy ety. Ilaina misitraka lisea akaiky azy ny hoavin’Ambavahaditokana. Amin’ny asako aho dia zatra mivezivezy mankany ivelany sy eto an-tanindrazana. Ny fandrosoan’ireo tanàna any amin’ny firenena mandroso izay fiveziveziko no nampitsiriritra mafy ahy ary mba tiako ho atao maodely hampandrosoana an’Ambavahaditokana. Izany indrindra no antony nirotsahako ho ben’ny tanàna. Sarotra ny hampitovy tanteraka ny zava-misy eto amin’ny any ivelany fa fara-faha ratsiny mba hisy fiovana sy fandrosoana aloha eo amin’ilay kaominina rehefa eo amin’ny toerana ny tenako. Manana fifandraisana amina firenena maro ny tenako ary afa-miasa tsara amin’izy ireo mba hampandrosoana ny kaominin’Ambavahaditokana. Ny tena nampitsiriritra moa dia ny lafiny fahadiovana sy fandrosoana ireo ankizy kely. Ny an’olona na ny ankizy aza dia efa tomponandraikitra. Tiako mba hampitaina eto ny traikefa hananako fifandraisana any ivelany. Tanjona, noho izany, ny hampihirazotra tanàna misy any sy aty na ilay antsoina hoe «jumelage». Azo atao tsara ny mitondra fampandrosoana ho an’Ambavahaditokana! Tantsaha no tena betsaka eto. Mpamboly sy mpiompy dia nefa tsy hijanona amin’izay isika fa azo ampianarina daholo koa ny zanaka tantsaha hahafahany mifehy ny fambolena sy fiompiana ataony. Mbola hitohy ny fanampiana efa natao amin’ny fanomezana zezika, ny famoronana zezika, ny famarotana zezika amin’ny vidiny mirary ho fitsinjovana ireo mpamboly. Mahazo fiofanana betsaka koa ny mpiompy. Misy mihevitra tsinona hoe tsy haiko ilay resaka fiompiana sy fambolena. Tsy marina nefa izany ary maro rahateo ny ekipako efa mahafehy ireo zavatra ireo, hoy hatrany ny tenany. Tsiahivina hatrany fa antoko politika sy vondrona ary fikambanana samihafa moa no manohana ity kandida ity. Isan’izany ny MFM, ny ALDR, ny Tia tanindrazana, ny Ambavahaditokana tsy mialonjafy.
J. Mirija
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny volana
Melohin’ireo orinasa misehatra amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday eto Madagasikara,
Raha vao tsy miala mihitsy isika amin’io fampiasana famatsiana herinaratra na «groupe électrogène»
Somary mafampana tsy dia mafana hatreto ny atao hoe «ambiance électorale»
Mandalo krizy ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha miara-mitantana ny antoko politika MFM,
Natolotra teny amin’ny Antenimierampirenena omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny