anatrehan’ny raharaha volamena 50kg. Heverina ho mihamafy aza ny olana diplaomatika eo amin’ny Fanjakana roa tonta mihitsy rehefa zohiana amin’ny zava-misy, niainga tamin’ny fandroahana ilay sambo nitondra mpandeha 280 rehefa nambara fa ho fisorohana ny fidiran’ny kôlera, niteraka valy bontana tamin’ny raharaha volamena. Niditra an-tsehatra nanao fandisoam-baovao mikasika ny lahatsoratry ny La Gazette des Comores milaza ny tsy nandraisana ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy hifampiraharaha tamin’ny Fanjakana amin’ny famerenana ny volamena sy niezaka niaro mafy an’Atoa Rodolphe Razakandisa rafozan’ny filoham-pirenena ny Governemanta Malagasy tamin’ny alalan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Nambaran’io gazety io fa tompon’ilay volamena 50kg tratra tany Comores ny desambra 2021 ny rafozan-dRajoelina. Ity farany izay efa nanao fandisoana fa tsy misy hidirany izany fa fanalam-baraka azy sy ny fianankaviany, ary ny firenena sy soatoavin’ny Repoblikan’i Madagasikara io. Nasiaka ny Mpitondra tenin’ny governemanta Malagasy nilaza tao anatin’ny taratasiny miantefa amin’io gazety io ny 26 oktobra, fa manohintohina ny voninahitry ny firenena sy ny voninahitry ny fianankavian’ny Filoha. Nanome lesona mihitsy ny minisitra, fa « Ny adidy voalohany amin'ny mpanao gazety matihanina dia ny manamarina ny vaovao alohan'ny hamoahana azy ». « Tension entre les Comores et Madagascar : Moroni oppose une fin de non recevoir à la cheffe de la diplomatie malgache », hoy moa ny lohatenin’ny gazety gazety La Gazette des Comores io ny 25 oktobra, izay nilaza fa « ny famerenana ny volamena izay nambaran’ny iraka mpifampiraharaha malagasy « négociateurs » fa an'ny rafozan’ny filoham-pirenena malagasy ». Marihina ihany koa fa ny 22 okotbra ihany koa aza no efa nisy lahatsotra hoe : « Crise entre Moroni et Antananarivo : Les lingots d’or… à tout prix », ka isan’ny voalaza ao anatin’izany hoe : « Milaza ny Malagasy fa an’ny rafozan’ny Filoha Malagasy io bolongam-bolamena io, ary nisy ny fangatahana ofisialy hamerenana azy ». Tsy misy fototra ity fanambarana avy amin'ny Gazette des Comores ity ary fanambarana tsy misy porofo, satria olona telo manana zom-pirenena malagasy sy komoriana, izay fantatra ny anarany, no efa nosamborina sy voampanga tamin'ny manampahefana komoriana momba ity raharaha ity momba ny fiampangana volamena avy any Madagasikara, ary ny olona voalaza ao amin'ny lahatsoratra dia tsy nisy olana tamin'ny fitsarana na malagasy na kaomorianina, hoy ny Fanjakana Malagasy.
MANIZINGIZINA SY MANANGAM-BOVONA NY KAOMORIANINA…
Nanaiky ny fandefasana ny « droit de réponse » na setrin-dahatsoratra nataon’ny rafozan’ny Filoham-pirenena moa ny La Gazette des Comores, ho fanajana ny zon’ity farany araka ny lalàna sy soatoavin’ny asa fanaovan-gazety. Hentitra kosa io gazety io nitondra valin-kafatra omaly 29 oktobra 2024, fa tena nahazo loharanom-baovao tena mifanaraka amin’io dosie, ary tena mametraka fahatokisana feno amin’izany. Nisy manam-pahefana Malagasy nangataka tamin’ny manam-pahefana Kaomorianina amin’ny hamerenana ny volamena, ary io efa nolazainay io ambony io no antony hoy izy ireo, izay nilaza fa nangatahan’ny Malagasy ny hamerenana azy ary nisy ny mpanelanelana naneho fa an’ny rafozan’ny Filoha Malagasy io. Nilaza ho manaraka akaiky io dosie io ny La Gazette, ary mbola lavitry ny famoahana ny tsiambaratelo rehetra aza. Zon’ny Firenena Malagasy tanteraka ny miaro ny Firenena eo anatrehan’ny zava-mitranga sy firesahana an’i Madagasikara na teratany Malagasy any ivelany saingy mampametra-panontaniana ihany hoe : fa angaha moa ny rafozan’ny Filoham-pirenena manana andraikitra ambony ara-panjakana no ny Fanjakana Malagasy no ny governemanta Malagasy no miditra an-tsehatra ? Tsy ampy ve ny fandisoam-baovao nataon’ny olona voatonona ? Moa tsy vao mainka mampirehatra ny afo ve ny endrika fiarovana nataon’ny Fanjakana Malagasy ary mampitombo ny ahiahy ?
Toky R
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza isika eto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny volana
Melohin’ireo orinasa misehatra amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday eto Madagasikara,
Raha vao tsy miala mihitsy isika amin’io fampiasana famatsiana herinaratra na «groupe électrogène»
Isan’ny vinan’asan’ny kandida ho ben’ny tanàna, Lolitah Rasoarimanana, ao amin’ny kaominina Ambavahaditokana,
Somary mafampana tsy dia mafana hatreto ny atao hoe «ambiance électorale»
Mandalo krizy ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny filoha miara-mitantana ny antoko politika MFM,