airtel

Actualités

19-août-2024

MAHAVELONA FOULPOINTE

Mahasarika olona maro hatrany na dia lafo aza ny fiainana

Sample post image

Mbola saika feno avokoa amin’izao tapaky ny volana aogositra mahery izao ireo hotely sy trano

19-août-2024

fandraisam-bahiny rehetra ao Foulpointe na dia lafo aza ny fiainana, ampian’ny haratsian-dalana. Hataon’ny fiara madinika ora 4 na 5 miala ao Toamasina mantsy izany izay tsy mbola misy fanamboarana aloha hatreto. Miezaka mitazona ireo mpizahantany vahiny sy ireo mpiala sasatra tonga any an-toerana noho izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao Foulpointe. Ahitana taratra izany ny famoronana ireo karazana kilalao mahasarika ny ankizy sy ny olon-dehibe toy ny beach kite eny amin’ny tora-pasika. Tena tian’ny vahiny io karazana kilalao farany io raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana. Efa tsy toy ny teo aloha intsony ihany koa ny fahadiovan’ny tanàna fa tena mahafa-po saingy ny vidim-piainana no mbola midangana tsy ahitana vahaolana. 12.000 Ar ny vary iray lovia faran’ny mora indrindra, ampy ho an’ny olona iray.
Pati
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap