airtel

Actualités

07-juin-2024

Mahavitara Sylvestre kandida lany ao Vangaindrano

Nohelohina higadra 5 taona, mandoa onitra 122 miliara Ar,…

Sample post image

Nosamborina tany Vangaindrno ary nentina niakatra taty Antananarivo,

07-juin-2024

ka naiditra am-ponja teny Antanimora nanomboka ny 8 aprily ny kandida tsy miankina Mahavitara Sylvestre. Enjehina ho nanao fanodikodinam-bolam-panjakana teo anivon'ny Minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka. Tsy vitan’izay, fa raha ny vaovao niparitaka omaly, dia nohelohin’ny fitsarana higadra an-tranomaizina 5 taona sazy mihatra, 5 taona tsy mahazo manao asam-panjakana, 3 taona tsy manao politika, ary mandoa onitra 122 miliara. Andaniny, tahotra ara-politika no nandikan’ny mpanara-dia azy izany, izay nisy ny hetsika samihafa nataon’izy ireo, taorian’ny fanenjehana. Efa nangataka ny hamotsorana azy ireo Raiamandrreny sy mpanjaka tany an-toerana taorian’ny fisamborana azy, saingy io fanagadrana io no setriny. Izy moa raha tsiahivina no filohan'ny fikambanana Jamais Mort. Tany am-ponja ity kandida ity nandritra ny propagandy, ka ny vadiny « i Endrin’i Mahaira » sy ireo mpiray lisitra aminy ary ny mpikambana rehetra ao anatin’ny Jamais Mort no nanao ny fampielezan-kevitra ho azy. Tsy arakaraka ny maha tsy teo ny lohalisitra, fa nolanian’ny vahoaka tamin’ny isan-jato ambony i Mahavitara Sylvestre, mitarika mazava 42,72% amin’ny alalan’ny vato 31063, raha 22,69% kosa ny kandidam-panjakana Randrianasolo Tojosoa Ideal izay tsy nahazo vato afatsy 16498, raha ny vokatra feno navoakan’ny SRMV. Io fahalaniany no heverina fa vao mainka nahasosotra ny mpifanandrina sy mety ho anton’itony fandetehana itony. Tapitra mihitsy izany ny taom-piasan’ny depiote vao ho tafavoaka ity farany, raha tsy mahazo rariny any amin’ny fampiakarana. Miverina izany ny sary tahaka ny tamin’ny 2019 izay tany am-ponja ny kandidan’ny IRD Hasimpirenena Rasolomampionina sy ny kandida tsy miankina Ludovic Adrien Raveloson avy amin’ny tsy miankina kanefa voafidy ho depiote tao Fandriana iry voalohany ary tao Mahabo ilay faharoa. Raha ny lalàna dia ny lisitra faharoa no miakatra rehefa voamarina ny fahabangan’ny lohalisitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-juil-2024

Voatery miroso amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby isika ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo,

Card image cap
03-juil-2024

Omaly no nanatanterahana ny lanonana ofisialy nankalaza ny faha-248 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia ho an'ny eto Madagasikara .

Card image cap
03-juil-2024

Omaly 02 jolay no natolotra ny sampan-draharaha mpisitraka ireo fitaovana

Card image cap
03-juil-2024

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fialan-tsasatra lehibe isika ankehitriny.

Card image cap
03-juil-2024

Tovovavy kely tokony ho 16 taona monina ao amin'ny Fokontanin’Antanandava no teraka zaza kambana 3

Card image cap
03-juil-2024

Hanomboka ny Sabotsy 06 Jolay ho avy izao ny Fitsarana miaramila manerana ny tanin’ny Repoblika.

Card image cap