airtel

Actualités

22-août-2024

MAILAIMBANDY

Velarantany 50 ha main’ny afo

Sample post image

Mirongatra ny doro tanety eto amintsika.Tandindomin-doza tanteraka ny firenena vokatr’izany,

22-août-2024

tranga izay ahiana hampahazo vahana bebe kokoa ireo karazana loza voajanahary maro samihafa.Velaran-tany maherin'ny 50 hekitara indray izao no solan'ny afo, kila hotohoto tany Malaimbandy, faritr'i Menabe afak’omaly Alatsinainy 19 Aogositra. Voatery niditra an-tsehatra nifanome tanana nifehy ny afo noho izany ny zandary sy ny fokonolona ka ora maromaro ihany no lany vao maty tanteraka izany. Tsiahivina moa fa vao tamin’ny faran’ny herinandrp teo no nitohy ny fahamaizana tao Isalo. Tany 4 ha no maty ny Alahady 18 Aogositra lasa teo raha nahatratra 400 ha kosa tamin’ny datin’ny 03 Aogositra. Ahiana ho ngazana tanteraka vokatr’izany i Madagasikara raha mitohy izao fandoroana tanety izao. Olona roa moa hatreto no efa voasambotra tamin’ilay fahamaizana nitranga tao Isalo iny.
Pati
Legende : Afobe tahaka izao tao Malaimbandy !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap