nisy na ny tantara na ny asa mikasika ny fanaovan-gazety, hoy ny mpanao gazety zokiolona sady filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha, Maka Alphonse. Ny mpanao politika no manome ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety voalohany, hoy izy. Eo koa ny tompon’ny orinasan-gazety. Arakaraky ny fiovaovan’ny fitondrana nisy ny fiovaovaon’ny fisian’ny fahalalahana na fahaterena na fanenjehana ny asa fanaovan-gazety. Rehefa nofoanana ny febroary 1989, tamin’ny andron’ny filoham-pirenena Didier Ratsiraka, ny «censure» na sivana dia narahana izany hatramin’izao repoblika faha 4 izao. Mazava tsara ankehitriny ny lalàmpanorenantsika hoe «toute forme de censure est interdite.», izany hoe, na inona endrika isehoan’ny fanelingelenana ny asa fanaovan-gazety dia raràn’ny lalàmpanorenantsika. Eo alohan’io aza mbola milaza koa izy hoe ny fahalalahan’ny olompirenena hahazo vaovao na «droit a l’information». Maro samihafa ny endriky ny sakatsakana amin’ny fanaovan-gazety eto amintsika eto. Tsy ny mpanao politika ihany na fitondrana no manana fahefana fa na ny tompon’ny orinasa an-gazety na «patron de presse» dia isehoan’izay fanelingelenana ny asa fanaovan-gazety izay. «La liberté s’arrache», izany hoe, anjarantsika mpanao gazety koa no miady izay hahazoana izay fahalalahana izay. Isan’ny marefo ny mpanao gazety noho ny antony ara-bola. Ambany dia ambany ny karaman’ny mpanao gazety. Niezaka izahay tao anatin’ny ALJM niaraka tamin’ny UPF na ny vondron’ireo gazety miteny frantsay mba hisy fifanarahana iraisana hampiakarana ny karaman’ny mpanao gazety. Nisy «patron de presse» sasantsasany tsy nanaiky mihitsy satria tsy hitovy hoy izy ny fidiram-bolantsika, tsy hitovy ny haino aman-jery. Manano sarotra ny asa fanaovan-gazety amin’izao fotoana izao. Eo ny fitandremana ny didy aman-dalàna, ny fitandremana tsy ho very kapoaka. Tany amin’ny taona 2000 tany ho any efa natsangana ny sendikan’ny mpanao gazety rehefa hita fa goragora tamin’izay ny olafitry ny mpanao gazety. Nisy namana nanangana hoe andao hatsangana ny tolona sendikaly amin’ity fanaovan-gazety ity. Ny olafitra na «ordre» miady ny deontolojia sy ny toy izany fa ny sendika tena hoe hiady ny tombontsoan’ny mpanao gazety sy fanatsarana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Izay ilay nambarako teo hoe tsy omena fa tsy maintsy hiadiana ny fahalalahana. Andraso eo i Paoly raha hiandry fotsiny eo fa tsy hisy hanome anao an’izany eo! Fotoana izao hananganana ny sendikan’ny mpanao gazety ary izaho dia mampirisika an’izany, hoy hatrany i Maka Alphonse.
J. Mirija
Mifarana ny taona fa dia miatrika fahasahiranana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara,
Mbola betsaka ireo tazana nanao ny asany tamin’ny andavanandro omaly Alarobia 25 Desambra
Tsy mety tapitra ny trafikana volamena miainga avy eto Madagasikara, fa tena mbola mampiteny ny moana.
Tena nanao ny nataony ny delestazy teny Itaosy Atsimondrano afak’omaly Talata 24 Desambra.
Nodimandry ny talata 24 desambra 2024 teo teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana ny Pr Manantsoa Victor.
Raha tamin’ny andro taloha dia ny fotoana akatoky ny fety toy iny harivan’ny 24 desambra 2024