airtel

Actualités

11-sept-2024

Marary ny sehatra ara-panjakana

Feno grevy sy fitakiana etsy sy eroa

Sample post image

Ankoatra ny fahapotehana sy fitotonganan’ireo orinasam-panjakana maro, raha tsy

11-sept-2024

hilaza afatsy ny Air Madagascar, Jirama, SECREN,… dia mitombo hatrany ireo sampan-draharaham-panjakana na ivon-toerana ambony ahitana olana amin’izao fotoana izao. Efa hiditra ho iray volana ny grevin’ny FOFIFA na ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra, izay nilaza fa tsy mijanona ny fitakiana fa miandry am-pitoniana. Mitaky ny fanesorana ny Tale Jeneraly moa ireo mpiasa noho ny fahatsapan’izy ireo fa betsaka ireo tsy fanjariam-pitantanana, ary miha mikoroso fahana ny FOFIFA. Ny teo anivon’ny Sampan-draharaha misahana ny famantarana ny mety ho toetry ny andro ihany koa efa tapa-bolana lasa izay no nanomboka nanao fitakiana ny hanesorana sy hanoloana ny Tale Jeneraly izay notondroin’ny mpiasa ho mampahory azy ireo, manao jadona, manao antsojay, manarara-pahefana amin’ny famindran-toerana tsy ara-drariny na «affectation abusive» tsy misy fanazavana,… ka tonga hatrany amin’ny fanapahan-kevitra tsy handray baiko intsony. Dia io ihany koa ny IFVM na Ivon-toerana famongorana valala eto Madagasikara, fa manao fitakiana ny hanesorana ny Tale misahana ny fitantanam-bola na DAF ny mpiasa, ary nisy ny fitokonana tany Toliara. Nanomboka ny 2021 dia nahatsapa izahay fa vao mainka mikorosy fahana ny IFVM. Betsaka ny tambin-karama, fiantohana ara-tsosialy,… hoy ireo mpiasa. Hatramin’ny nidiran’io rangahy io dia nanapempo anay, manao antsojay, manavakavaka ara-poko, mampiasa tsy ara-drariny ny fitaovam-panjakana,… hoy hatrany ireo mpiasa. Tonga hatrany amin’ny Fangatahana ny Bianco hanao fanadihadiana lalina ao amin’ny IFVM sy fanenjehana ara-pitsarana. Ampahany amin’ny zava-misy eny amin’ireo rafitra ara-panjakana samihafa ireny, izay maneho sy manamafy fa marary ny sehatra ara-panjakana. Mety taratry ny fitantanana mikoroso fahana miainga any an-tampony, ny olana ara-bola,... saingy toa saika mitarazoka avokoa ny famahana olana satria tsy hita intsony izay horaisina.
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap