airtel

Actualités

27-déc-2023

MAROANTSETRA

Leo fanolanan-jaza, misoko mangina ny fitsaram-bahoaka

Sample post image

Leo fanolanan-jaza ireo mponina any amin’ny distrikan’i Maroantsetra.

27-déc-2023

Taorian’ilay zazavavy kely vao 6 taona monja naolana lehilahy lehibe iray 32 taona tany Voloina Marontsetra afak’omaly Alatsinainy 25 Desambra dia zazavavy kely iray hafa indray ihany koa no nisy nanolana omaly Talata 26 Desambra tao Ankofabe any amin’ny distrikan’i Maroantsetra ihany. Vao fantatry ny mponina ity farany dia nanomboka nikononkonona fitsaram-bahoaka izy ireo ka voatery niditra nandamina izany ny mpitandro ny filaminana. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia efa matin’izy ireo ilay lehilahy iray 32 taona iry ambony izay azo lazaina ho tsy mifadi-trovana. Nobatain’Itompokolahy ilay zaza hoy ny vaovao ary notampenany ny vavany. Nisy nahatsikaritra anefa izany ka ilay nahita no namory fokonolona. Na izany aza efa vitan’ilay tsy mataho-tody ihany ny nataony. Ilay zaza efa nihosin-dra teo am-pandriana sisa no tratran’ny fokonolona. Tsy nanaiky anefa ireto farany fa niandry io lehilahy io nony hariva ny andro ka tsy navelany raha tsy afaka ny ainy rehefa niditra tao an-tanana. Ny sasany nively azy tamin’ny kobay raha nitifitra totohondry sy nandaka kosa ny sasany. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ilay zaza ary fantatra fa simba tanteraka ny fivaviany noho ny tery vay manta nataon’ilay tsy mifadi-trovana. Toraka izany koa ilay iray izay vao lasibatra omaly Talata.
Pati
Legende : Ity maty ity ilay mpanolana tamin’ny fetin’ny Krismasy teo !

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap