airtel

Actualités

24-juil-2024

Miah Raveloson

Novonoin'ny sakaizany satria tsy nety nanala zaza

Sample post image

Nipoitra ny marina mikasika ny fahafatesan’i Miah Tsiambaratelo Raveloson, tovovavy 22 taona,

24-juil-2024

izay hita faty teny Nanisana ny marainan’ny 17 jolay lasa teo. Raha hiverenana dia nodomin’ny fiara izy, ary ny fatiny sisa no hita nihohoka teo amoron-dàlana, fa nandeha nitsoaka kosa ny olon-dratsy. 6 andro taty aoriana, fantatra fa vono olona niniana natao sy efa voamana no nihatra taminy. Tra-tehaka ny tompon’antoka izay tsy iza fa ny sakaizany ihany. Ny olon-tiany izay tsy nanaiky ny hitazonany ny zaza no nisopatra azy satria nitoe-jaza izy izao novonoina izao. Voasambotry ny Polisin'ny BC2 tao an-tranon'ny Ray aman-dReniny teny Analamahitsy ny alahady 21 jolay 2024 teo io sakaizany io, izay tovolahy vao 28 taona. Tsikaritra fa tsy tonga nanatri-maso ny razana teny am-bohitra ny sakaizan'ity tovovavy ity. Nanaitra ny Polisy izany tranga izany ary nampisy ahiahy manoloana ity tovolahy ity. Rehefa natao ny fikarohana dia fantatra fa nifanao fotoana hiazakazaka maraina izy roa ny andron'ny 17 jolay 2024, raha ny tatitry ny polisim-pirenena. Nilaza ny tsy andeha indray anefa ity tovolahy ity rehefa tonga ny fotoana hiazakazahana. Nitondra fiara izy ny andron'io ary nodominy ilay tovovavy ka maty tsy tra-drano. Anisan'ny antony namonoany azy ny tsy nanekeny hanesorana ny menaky ny ainy. Tsy hita tsara izay zava-nitranga saingy heno kosa ny firifatr'ilay fiara sy ny kiakiaka mafy, 5 segondra taorian'izay. Hita tsara anefa ny endrik'ilay fiara. Tsy nisy fiara hafa ankoatran'io fiara voalaza io koa tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza, ary dia tra-tehaka niaraka tamin’ilay tovolahy tokoa ny fiara, izay nisy pempo teo amin’ny lohany sy fitaratra. Raha hiverenana, dia natao fitsirihana ny « caméra de surveillance » teny amin’ny manodidina ilay toerana nisy ny loza. Tsy nisy nahita mantsy ilay fiara nahavanon-doza ka tsy maintsy niditra tamin’izay sehatra izay ny mpanao fanadihadiana, ka nivoitra fa niniana novonoina i Miah, mpilalao lalaon-tsaina « échec » efa nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena samihafa, toy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika.

Omaly ihany dia niakatra fampanoavana ity tovolahy 28 taona ity, ary nidoboka vonjimaika any Tsiafahy avy hatrany. Vono olona miisa 2 no isan’ny vesatra hanenjehana azy, ka andrasana ny didim-pitsarana raikitra.
Toky R


 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Ampasika, 67ha atsimo, Cenam nanomboka ny alatsinainy teo.

Card image cap
19-déc-2024

Miha maro hatrany ireo olona miteny irery eny an-dalana amin’izao.

Card image cap
18-déc-2024

ny lalàmpanorenana na ny HCC omaly 17 desambra 2024

Card image cap
18-déc-2024

Efa tsy misy lera mazava intsony ankehitriny omen’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA

Card image cap