avy hatrany sy vonjimaika ny asa fananganana ny làlambe migodana na « autoroute » mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ny Vondron’ny Firaisamonim-pirenena na OSC (Organisation des Sociétés Civiles) nahatratra an-jatony, araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly 05 martsa 2025. Mitaky fanatanterahana dinika ifotony sy tsy manavaka mba hamaliana ny fahasahiranan’ny mponina ambanivohitra voakasiky ny tetikasa. Navoitran’izy ireo fa tandindonin-doza ireo mponina monina amin’ny kaominina voakasiky ny 80 km amin’ny drafitra voalohan’ny tetikasa. Tafiditra ao anatin’izany ny ambana goavana amin’ny lafiny tsy fahampian-tsakafo, izay vao mainka mihombo noho ny fanitsakitsahana ny zony fototra satria misy fanesorana an-keriny tsy an-tsitrapo amin’ny taniny ary fandravana tampoka ny tanimbary sy tanimboliny, hoy ny fampitandreman’ny OSC. Nokianinin’ny OSC ny asa sy fitantanana ataon’ny SAMCRETE, izay heverin’izy ireo fa tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny topografian’i Madagasikara. Manameloka ihany koa izy ireo ny tsy fahampian’ny fampahafantarana amin’ny tetikasa, izay mametraka fahasahiranana sy ahiahy lehibe eo amin’ny mponina voakasika. Takian’ny OSC ny fangaraharana sy fanajana ny vahoaka. Ho an’ny OSC dia tsy maintsy atao ho modely ity tetikasa ity amin’ny alalan’ny fomba fiasa misokatra sy mirindra amin’ny rehetra. Noho izany, dia mangataka izy ireo mba havoaka ampahibemaso ny antontan-taratasy rehetra mahakasika ny làlambe, izay voamarina sy nekena niaraka tamin’ny mponina voakasika. Mangataka ihany koa izy ireo ny fanatanterahana drafitra mazava momba ny onitra sy famindran-toerana, izay mifanaraka amin’ny fenitra nasionaly sy iraisam-pirenena. Tokony hohajaina ihany koa ny fifanarahana mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiantohana ny fahavitan-tsakafo ho an’ny mponina. Nanaitra an’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena ny OSC, ka ankoatra ny fiantsoana ny Filohan’ny Repoblika, dia nanaitra ny FMI, ny BADEA (Banky Arabo momba ny fampandrosoana ara-toekerana aty Afrika), ary ireo mpamatsy vola hafa amin’ny fahamaroan’ny fanitsakitsahana zon’olombelona amin’ity tetikasa ity. Efa tratry ny resaka sy voakiana nandritra ny Fivoriambe mikasika ny toetr'andro na COP 29 tany Paris farany teo ny fomba fiasa tsy manajo tontolo iainana sy zon'ombelona manodidina ity tetikasa ity. Tsiahivina hatrany, fa tany amin’ny jolay 2024 no efa nisy fanairana nataon’ireo OSC fa tanimbary 195ha, ala 559ha, riandrano miisa 69,… no ho tototra sy horavana amin’io « tracé » an’ny « Autoroute ». Nilaza moa ny Minisitry ny tontolo iainana ny talata teo fa efa niova in-droa ny zotrany, tsy mandalo faritra arovana, harem-bakona ara-kolontsaina,... Ho hita eo ny tohiny!
Toky R
Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i