airtel

Actualités

17-oct-2024

Mibaboka hatrany ny Fanjakana

« Tsy mahasehaka ny famokaran’ny Jirama ny vola miditra»

Sample post image

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

17-oct-2024

izay mbola vidiana amin’ny tsy miankina. Manodidina ny 22 cents dolara na eo amin'ny 1 000 ariary, isaky ny kWh ny vidin'ny famokarana herinaratra, raha ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Angovo Atoa Olivier Jean-Baptiste. Ny salan’isan’ny vidiny ho an’ny mpanjifa rehetra na ny tokantrano na ny orinasa, anefa dia manodidina ny 12 cents dolara, izay eo amin'ny 550 ariary, isaky ny kWh. Navoitran’ny minisitry ny angovo tao anatin’ny fivoriana momba ny famatsiam-bola ny toetr’andro fa Jirama dia mbola mitohy miodina anaty fatiantoka satria tsy ampy ny vola miditra hanampy amin'ny fandaniana. Manodidina ny 85 miliara ariary hatramin'ny 100 miliara ariary ny vola miditra isam-bolana, raha toa ka manodidina ny 140-170 miliara ariary isam-bolana ny fandaniana. Ity toe-javatra ity dia misy fiantraikany, izay tsy vitan'ny hoe amin'ny asa fanao andavanandron'ny orinasa, fa amin'ny teti-bolan'ny Fanjakana ihany koa. Mbola tsy maintsy mitondra tohana ara-bola ho an’ity orinasam-panajakana misahana ny rano sy ny herinaratra ny Fanjakana, amin'ny alalan'ny fanampiana, mba hanampy azy hiantohana ny tolotra ho an'ny mpampiasa herinaratra. Mandeha hatrany ny fanomezana toky fa misy fanavaozana efa tanterahana sy hafa mbola ho avy, ka anisan’ny zava-dehibe ny fampihenana ny vidin'ny famokarana.
AZO TRANDRAHANA HO AN’NY ISAN-TOKANTRANO NY MASOANDRO !
Vahaolana naroson’i Tahina Razafinjoelina momba ny angovo izay azo atomboka eto Antananarivo moa ny fampiasana ny angovo madio amin’ny alalan’ny « panneaux solaires » satria isika manana masoandro amin’ny maha firenena tropikaly. 1500Watts hatramin’ny 3000Watts no ilain’ny tokantrano tsirairay. 2500Ar ny 1Watt ka 7 500 000 Ar eo izany ny vidin’ny herinaratra. Marina fa mety hoe : tsy manana an’izany, fa andao haloan’ny olona 36 volana, hatokisana ny vahoaka, ka ny vola aloa any amin’ny Jirama no handoavana an’io, fa azony ny « panneaux solaires » miaraka amin’ny « batteries » amin’ny 100 000Ar hatramin’ny 200 000Ar isam-bolana. Tsy maintsy hanangana ny « Direction électrification urbaine » eo anivon’ny kaominina hatomboka amin’ny 2000 tafo. 300 000 ny tafo, ny antsasak’ireo no mampiasa « panneaux » dia mihena antsasany ny fampiasana Jirama. 160 tapitrisa euros ny teleferika, eto Antananarivo 160 000 tokantrano, ka mahavita « solaires » ny tokantrano eto Antananarivo izany, raha ny kajikajy nataony.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap
16-oct-2024

Notokanana omaly ny fonjaben’Avaradrano mivelatra amin’ny velarana 13 000m2 izay mahazaka olona eo amin’ny

Card image cap