airtel

Actualités

03-juil-2024

Mihafamafy indray ny delestazy

Tara ny solika fa tsy ampy vola sy bokan-trosa ny Jirama…

Sample post image

Voatery miroso amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby isika ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo,

03-juil-2024

izay haharitra ora iray sy sasany isika anio talata 02 Jolay, eo anelanelan'ny amin'ny 1 Ora folakandro sy amin'ny 5 Ora hariva sy eo anelanelan'ny amin'ny 10 Ora alina sy amin'ny 4 Ora maraina, hoy ny seraseran’ny Jirama omaly. Nomarihina fa misy fahatarana ny famatsiana solika mavesatra hampihodinana ireo milina mpamokatra herinaratra saika manerana an'i Madagasikara, izay nolazain’ny Jirama fa tsy miankina aminy. Tsy maintsy mitsitsy ny solika eo am-pelatanana arak'izany ny Orinasa JIRAMA mba tsy hahatongavana amin'ny fahatapahan-jiro faobe, raha ny fanazavana. Tena fahatarana solika sa olana ara-bola hividianana solika ? 10 andro aty aorian’ny fanambarana ny fankatoavan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena na ny FMI ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) sy FRD (Facilité pour la résilience et da Durabilité) 660 tapitrisa dolara anatin’ny 3 taona no miseho izao tranga izao. Nifanindran-dàlana tamin’io rahateo ny tatitry ny Fanjakana nilaza fa misavovona hatrany amin’ny 1 444 miliara ariary ny trosan’ny mpamatsy solika amin’ny Jirama ho an’ny taona 2023, ka nanosika ny fanjakana hanohy hanome fanampiana ara-bola ny Jirama amin’ny tetibolam-panjakana LFR 2024. Ny Jirama izay isan’ny tratry ny tsindry ara-pitantanana mba hialana amin’ny vesatra ara-bola aterany amin’ny tetibolam-panjakana, ka irosoana tsikelikely ny vidiny tena izy na « vérité de prix », tsy maintsy handefa tatitra isam-bolana amin’ny FMI, tsy maintsy mamoaka ampahibemaso ny fifanarahana rehetra nosoniaviny, mandefa ny drafi-panarenana ny Jirama mialohan’ny novambra 2024,… Mbola henjana ny mety ho fiantraikany fiakaran’ny vidin-tsolika amin’ny Jirama raha tsy misy sarany manokana ho an’io orinasa io. Ho an’ny menaka mavesatra rahateo, dia mbola ny avy any ivelany no ampiasaina fa tsy ny an’ny Madagascar Oil vokarina avy any Tsimiroro,… Zava-dehibe ny firosoana amin’ny angovo azo havaozina, saingy mbola ho ela. Nilaza ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo Thierry Andriantsoa Atoa raha ny hita tamin’ny haino aman-jery omaly, fa ho avy ny tetikasa famokarana angovo any Ranomafana sy Sahofika, serasera efa fandre. Efa hanomboka i Ranomafana, an-dàlana ny adihevitra mikasika an’i Sahofika. Tsy mamokatra fotsiny isika, fa tsy maintsy taterina ireo, ka efa an-dalana ny PRIRTEM 1 Antananarivo-Toamasina, Atoa Thierry Andriantsoa. Mbola lavitry ny kitay ny afo hatreto raha hiandry an’izay vao hivaha ny olan’ny angovo, izay misy fiantraikany goavana amin’ny famokarana sy toekarena. Manamafy ny maha isan’ireo firenena 10 voalohany fadiranovana ara-angovo antsika eto ambonin’ny tany !
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juil-2024

Miakatra ny daozin’ny fahatapahan-jiro manerana ny Nosy.

Card image cap
05-juil-2024

Efa hatrany am-piandohana no miasa ho an’ny vehivavy ny Jejoo le quotidien des femmes amin’ny alalan’ny

Card image cap
04-juil-2024

Tsipahin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara, lany tamin’ny anaran’ny vovonana politika,

Card image cap
04-juil-2024

Tena niaina tao anatin’ny hatsiaka tanteraka isika teto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro izao.

Card image cap
04-juil-2024

Taribin-jiro'ny orinasa Jirama sahabo 500 metatra, izay mamatsy herinaratra

Card image cap