Tsy voahaja ilay fampanantenana fa tsy hisy fahatapahana amin’ny ora fiasana dia eo anelanelan’ny amin’ny 6ora maraina hatramin’ny 10 ora alina. Omaly ohatra, dia betsaka ny toerana tapaka naharitra manodidina ny 3ora mahery, teo anelanelan’ny tamin’ny 3ora tolakandro hatramin’ny tamin’ny ora sy sasany. Mandeha kely fahefakadiny dia miverina tapaka maharitra,… olana teknika no isan’ny ambara fa antony, izay toa tsy dia mampino loatra intsony. Tsy ampy ny vola hividianana solika izay nolazaina fa mahatratra 1 miliara Ar isan’andro ? Sa kosa tsy eto ingahy Filoham-pirenena fa lasa nivory any Harare Zimbabwe miatrika ny fivorian’ireo Filohan’ny Fanjakana mpikambana rehetra anatin’ny SADC ? Efa hatrany am-piandohana no nitondrana fanamarihana fa tsy dia antenaina haharitra io resaka fampiodinana ireo milina mandeha amin’ny solika io, ary toa manomboka miha mikatso. Tsy Antananarivo ihany no misedra olana, fa miha mangotraka ny any amin’ny faritra hafa. Ny any Toliara, ohatra, dia nampahafantatra ny mpanjifa ny Jirama hiroso amin'ny fanapahana ara- teknika mandritra ny fotoana maha-be ny filàna, manomboka amin'ny 06ora sy sasany hariva hatramin'ny 10ora alina. Manamafy, fa tena tsy voafehy ny olana, betsaka ny fahasarotana na ara-teknika na ara-bola,… Ny eto Antananarivo no ezahana sarotsaronana satria ao anatin’ny vanim-potoanan’ny propagandy izao. Ny delestazy dia efa ampy tsy hahalany ny kandidam-panjakana, raha tarafina amin’ireny endrika fanehoan-katezerana samihafa teny an-dalambe nataon’ny vahoaka teto an-dRenivohitra ireny. Ny tetibolan’ireo Minisitera samihafa efa ahena 10% hanodinana ny Jirama sy hanampiana azy ara-pitaovana, saingy mbola henjana ny manentsina ny tsy fahampiana vokatry ny tsy fijerena lavitra sy tsy fahaiza-mitantana hatramin’izay. Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mirehareha fa isika indray no hamaha olana ao anatin’ny SADC ka io diany ohatra dia voalaza fa fivoriana tsy ara-potoana ianaovana tombana ny ezaka vita sy hanapahana ny fanohizana na tsia ny iraky ny SADC ao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Iraka izay tokony hifarana ny volana desambra 2024. Amin’ny mahampikambana ao amin’ny Troïka-n’ny SADC antsika dia mandray anjara feno amin’izany fivoriana izany i Madagasikara, hoy ny seraseran’ny Filoham-pirenena. Ny olan’i Madagasikara tsy hita izay famahana azy na ara-toekerana na ara-tsosialy na ara-politika kanefa ny an’ny Firenen-kafa no maha dodona !
Toky R
Fiaramanidina madinika miisa 5 (4 marika Cessna, 1 marika PA23) sy angidimby iray
Misy hetra vaovao tokoa heritreretin’ny Fanjakana hampidirina ho an’ny taona 2025,
Velon-taraina mafy ny fianakaviana Ramaherison, tompon’ilay tany mirefy 7.000 ha ao Mandraka,
Hotanterahina manomboka anio Alakamisy 21 Novambra etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina
Mbola tena lavitra isika eto Madagasikara manoloana ny fampanajana ny zon’ny ankizy.
Mpianatra manodidina ny 10 isa raha kely no tsy afaka hanohy ny fianarany intsony aloha ao