Tsy tena novahana ny olana sy krizy miotrika mandemy ny Firenena, ny tena filàna tadiavin’ny Malagasy, ny rafitra sy lamina teny mety amintsika raha tsy hilaza afatsy ny fampianarana,... Nifandray hatrany tamin'ny ady ara-politika, fahantrana, ary olana ara-toekarena,… Niainga tany amin’ny taona 1972, izay nifototra tamin’ny tsy fitoviana sy elanelana ara-toekerana sy ara-tsosialy toy ny lafiny ara-pampianarana na « fampianarana miangatra », izay niafara hatrany amin’ny fionganan’ny Filoha Philbert Tsiranana. Fitantana miaramila notarihin’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa,… avy eo niakatra Ratsimandrava ny taona 1975, saingy herinandro ihany dia nisy namono. Tsy nipoitra mandrak’androany ny tena marina ofisialy mikasika ny raharaha Ratsimandrava. Betsaka ihany koa ny tantara iniana hafenina, toy ny fandripahana olona tany Atsimo, izay mety nijanona ho otrik’ady mandrak’ankehitriny.
TSY TAFAKAPA NY FANOVANA ARA-POLITIKA
Niorim-paka ny Fitondran’ny Amiraly Ratsiraka nanomboka ny taona 1975, saingy nipoaka indray ihany koa ny krizin’ny 1991-1992. Nanorina izay naoriny, nanangana izay natsangany ny Fitondrana Ratsiraka, saingy henjana ny fahasahiranana ara-toekarena, fidangan'ny vidim-piainana, sy fahasimban'ny toe-karena,... Nirefotra ny krizy, niongana ny Amiraly ! Voafidy ho Filoham-pirenena ny Pr Zafy Albert, saingy tratry ny fanonganana na « empêchement » telo taona taoriana ihany koa. Lasa « Rain’ny Demokrasia » noho ny fanekena tsy sazoka ny fanonganana, sangy tsy namaha ny krizy ny fionganany ! Tafaverina teo amin’ny Fitondrana ny Amiraly Ratsiraka, saingy nirefotra indray ny krizin’ny 2001-2002 nisiana fanoherana ny vokatra tamin'ny fifidianana filoham-pirenena noho ny resaka hosoka sy tsy fahatomombanan’ny rafitra, saingy io mbola olana ankehitriny io na efa nametraka ny CENI aza isika. Iny no « crise poste-électorale » isan’ny nahery vaika indrindra, mbola nampian’ny filalaovana ireo rafitra ho an’ny tombotsoa politika toy ny fibatana ny HCC nakany Mantasoa,… ka vao mainka nanome vahana ny fanoherana, nanafaingana ny fiakaran’i Marc Ravalomanana teo amin’ny Fitondrana,... Tsy mora ny nahatongavana tamin’ny 1991 sy ny 2002 izay nisiana rà mandriaka saingy tsy tena tafapaka ny fanovana ara-politika fa izay tonga teo nihevitra ny ho mafy be sy niorim-paka ary tsy azo nohozongozonina, saingy mbola nijanona ho tarazon’ireo mpitondra hatramin’izao 2025 izao.
SARINTSARIM-PIHAVANANA SY FIFAMALIANA FATY LAVA
Tsy niravona teo ny krizy politika, fa nisy dian-tànan’ny Amiraly ihany koa ny 2009 nionganan’i Marc Ravalomanana rehefa nandeha ny fanenjehana ho mpanao jadona, mpanao ampihimamba,… Naravodravona tamin’ny fifampidinihana sy fizarana seza teo, saingy na ny tondrozotra sy « feuille de route » aza tsy nohajaina. Ny vahoaka Malagasy mpitazana fotsiny ! Dia nandeha ny fifidianana 2013 izay mbola lalao miverin’ny 2009 ka samy nanohana olana ireo mpifanandrina, saingy ny herin’ny vola no nanjaka ankoatra ny kajikajy samihafa. Tsy tena namaha olana ny fifidiananavahaolana. Nandeha indray ny grevin’ny 2018 notarihin’ny depiote 73 izay ny Antoko TIM sy TGV no nifampitantana, nilazana fa tapitra hatreo ny adilahy fa ho mpifaninana masina, nizara seza tao amin’ny governemanta, saingy tsy niherina ny taona dia niaraha-nahita ny fifidianana 2019 dia niha nangotraka ny fifanandrinana, nandeha ny sarintsarim-pifidianana, nahiana ny fifanarahana na « deal politique ». Vitavita ho azy teo ny raharaha. Nandeha ny fifidianana 2023, nialohavana fitakiana maro samihafa toy ny fanadiovana ny tokontany politika hanaovana fifidianana, saingy nandeha ihany ny sarintsarim-pifidianana amboletra, nitohy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo,… Fehiny, mitoetra hatrany ny krizy politika eto Madagasikara izay mifatotra amin'ny sarintsarim-pifidianana, tsy fijerena ny Firenena fa miorina kokoa amin’ny tombotsoa politika, tsy fijerena ny olana sy vahaolana isan-tsehatra,... fa entina amin’ny vahaolana paomady, ka tsy tena milamina fa milamindamin-dratsy sy miha milentika i Madagasikara.
Toky R
Olona miisa 163.000 no fantatra fa nahazo tombontsoa tamin’ilay tetikasa Fafirano andiany faharoa notanterahina
Lasa fototry ny fahantrana eto Madagasikara mihitsy ny fisotroan-toaka ankehitriny.
Hotanterahina anio Alakamisy 23 Janoary any Lyon France ilay
Miverina amin’ny heriny tanteraka ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina.
Mitaky mangarahara amin’ny vola mivoaka, ny antsipirian’ny fifanarahana ary ny loharanom-bola mikasika ny
Tsy vitan’ny fampidinana vidin-tsolika ny atao hoe fiahiana ny mpandraharaha anatiny eto Madagasikara,