izay nogadraina teny Tsiafahy nanomboka ny 21 jolay 2021. Iray tamin’ireo notondroin’ny Fitondrana ho nikasa hamono an’I Andry Rajoelina sy hanongam-panjakana. Nitondra fanazavana ny Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana fa ny lalàna 2006-015 tamin’ny 6 janoary janoary no miresaka ny fahafahan’ny voafonja iray mangataka ny hifindra amin’ny toeran-kafa hanao ny sazy. “Ny voafonja voasazy dia mahazo manao fangatahana toeram-pamonjana ao anatin’ny fitaleavam-paritra misy azy ihany, na fitalevana hafa mihitsy. “Voafehin’ny “coopération judiciaire internationale” na fifanarahana ara-pitsarana iraisam-pirenena kosa ny fahafahan’ny voafonja iray mangataka hisazy any amin’ny fireneny, afaka manao fangatahana mba hanohy ny famonjena azy any amin’ny firenena nihaviany. Afaka manao tahaka izany ihany koa ny Malagasy voaheloka sy voafonja any ivelany. Ny fepetra dia ny fisian’io fifanarahana io”, hoy Rtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa. Ny 21 jona 2023 no nandraisana ny fanapahan-kevitra mikasika an’I Philippe François, ka “transfèrment” no nangatahany satria misy ny fifanarahana ara-pitsarana eo amin’ny Repoblikan’I Madagasikara sy ny Repoblika Frantsay, hoy hatrany ny fanazavan’io Minisitra io. Ny 4 jona 1973 no nisian’izany fifanarahana ara-pitsarana izany, ka ny andininy faha-8 amin’io no mamaritra ny fahafahana mangataka fifindrana hisazy any Frantsa, ka nanome fahafahana azy hanao izany, mba hanohy ny sazy any amin’ny firenena, hoy hatrany ny fanazavana. “Tsy midika fa novotsorana, fa fanohizana ilay sazy any amin’ilay toerana nihavian’ilay olona. Voaheloky ny fitsarana 10 taona asa an-terivozona an-tranomaizina izy, ka izay no tohizany any Lafrantsa”, hoy ity Minisitra ity. Izay ny fanazavany ara-teknika, fa ara-politika dia ahiana ho votsotra avy hatrany io teratany Frantsay io vao tonga any amin’ny taniny fa tsy hisazy izany. Efa nisy ilay teratany Frantsay antsoina hoe: Houcine Arfa, nifandray tamin’ny tao an-dapa tamin’ny fitondrana Rajoelina, ary notondroiina ho nikasa hanongam-panjakana. Nogadraina teny Antanimora, saingy tafatsoaka rehefa voalaza fa hoentina hotsaboina. Tafavoaka tonga tany Frantsa, ary nanao ampamoaka goavana avy eo, nolazaina fa nomeny 70 000Euros hatramin’ny Minisitry ny fitsarana. Nangataka fiaraha-miasa ara-pitsarana ny Fitondrana Malagasy tamin’izany fa tsy nahovoka fa ity Frantsay ity indray aza no nanao valan-dresaka maromaro nanaratsy ny Fitondrana Malagasy. Ny Frantsay rahateo araka ny lalàna misy eo aminy dia tsy handefa ny terataniny sy olona mizaka ny zom-pirenena hogadraina na hotsaina amin’ny firenena hafa na hanaovana “extradition” izany. Mbola baraingo kosa ny tambin’ny famotsorana an’I Philippe François hoe: fanolorana an-dry Fanirisoa Ernaivo sy ny tariny ho an’ny Fitondrana Rajoelina tokoa ve? Sa kosa fanohanana ara-politika sy ara-pifidianana?
Toky R
Tombanana ho betsaka ny rotsak’orana, izany hoe hahatratra 50 hatramin’ny 100 mm
Olona miisa 5 no fantatra fa efa voasambotra hatreto taorian’ireo karazana firehetana
Manomboka miha mamy ny voankazo eny an-tsena tao anatin’izay herinandro
Faly sahirana ny tantsaha na dia tonga aza ny rotsak’orana ao anatin’izao andro
Na noho ny rivodoza na noho ny rivon-tsoa dia nampiaina ny zavaboahary ny orana nilatsaka aloha,
Manjaka tanteraka amin’izao fotoana izao ny haintany ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Marofoty, Toliara II,