efa vita ny fifidianana, tsy any intsony angamvba no resaka fa ny hampandeha ny raharajham-pirenena. Ahoana ny hanatsarana ny fomba fiasa fa tsy any amin’ny resaka zom-pirenena fa hpe : ahoana no hanatsarana ny tontolon’ny fitsarana ho tsaratsara kokoa amin’ny tombotsoam-bahoaka.», hoy ny Minisitry ny Fitsarana Rtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa ny andron’ny omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety ny mikasika ny zom-pirenen’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina indray. Nanokatra adihevitra mantsy ny zava-mitranga any Sénégal izay mitovitovy amin’ny zava-nisy teto Madagasikara, saingy miezaka manamafy ny fampiharan-dalàna sy fanajana ny lalàmpanorenana ny any, raha toa ninia nikipy kosa ny mpitondra Malagasy. Henjana ny fepetra fampanajana ny lalàmpanorenana toy ny tsy maintsy fizakan’ny kandida ny zom-pirenena Sénégalais ihany, araka ny andininy faha-28 amin’ny lalàmpanorenan’izy ireo izay narahana ara-bakiteny. Mitovitovy amin’ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenantsika io fa tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy. Vokany, voahintsana tsy ho kandida i Karim Wade zanaky ny Filoha teo aloha Abdoulay Wade satria voalaza fa tara ny fanatsoahana ny zom-pirenena Frantsay nataony. Nanaovan’ny DIC (Division des Invevestigations Criminelles) eo anivon’ny Consultant de France fanadihadaiana lalina ny kandida Rose Wardini tamin'ny filazana fa efa tsy mizaka ny zom-pirenena frantsay intsony, ka voalaza fa mbola mizaka io zom-pirenena frantsay io ity kandida ity ny 1 febroary teo. Nandainga, namitaka ary nisoloky ny taratasim-panjakana nentina nilazana fa efa tsy mizaka ny zom-pirenena frantsay intsony i Rose Wardini. Vokany nampihatra ny lalàna ny DIC ka natao "garde à vue" ity kandida ho Filoham-pirenena ity. Henjana ny famotorana ataon’ny manam-pahefana Sénégalais fa tsy mionona fotsiny amin’ny taratasy tonga. Misafotofoto ny toe-draharaha any amin’io firenena io, ka misafidy ny handamin-draharaha aloha, nahemotra ny fifidianana tokony hatao ny 25 febroary izao, fa ny fikaonandoham-pirenena aloha no hirosoana. Tena hentitra izy ireo amin’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy fisorohana ny faharavana avy amin’ny mety ho savorovoro politika. Ny antsika kosa toa izay maha diavolana ny sain’ny mpitondra, ka matetika ny lalàna no toa ampanaharana ny tombotsoan’ny mpitondra fa tsy ny mpitondra no natao hanara-dalàna ? Entina amin’ny hoe : izay vita dia vita sy avalony any fa ny ho avy no hatrehana ? Firenena inona no handroso sy ho vanona amin’izany ?
Toky R
Mifarana ny taona fa dia miatrika fahasahiranana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara,
Mbola betsaka ireo tazana nanao ny asany tamin’ny andavanandro omaly Alarobia 25 Desambra
Tsy mety tapitra ny trafikana volamena miainga avy eto Madagasikara, fa tena mbola mampiteny ny moana.
Tena nanao ny nataony ny delestazy teny Itaosy Atsimondrano afak’omaly Talata 24 Desambra.
Nodimandry ny talata 24 desambra 2024 teo teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana ny Pr Manantsoa Victor.
Raha tamin’ny andro taloha dia ny fotoana akatoky ny fety toy iny harivan’ny 24 desambra 2024