airtel

Actualités

30-juil-2024

Misy misitery ny doany Bevonotra ao Sambava ?

Vehivavy iray indray no natelin’ny rano avy eo nanjavona

Sample post image

Vehivavy iray no nanjavona tsy hita popoka omaly alatsinainy 29 jolay nandritra ny fombafomba

30-juil-2024

tao amin’ny doany tao Bevonotra. Tonga tamin'ny 04ora maraina, handeha hanatanteraka fombafomba, fanokafam-baravaravana, fanadiovana ny loto, fanomezam-boninahitra ny razana ny rehetra. Teo amin’ny Doany eo amin’ny vinanin-drano no nanaovana ny fisekana. Efa niantrana ny mpiseky rehetra, kinanjo mbola tsy vita akory ny dingana rehetra izay arahina dia efa nidina tao anaty rano Mbola tsy vita ny fombafomba, dia nivarina an-drano Rtoa Miliètte na maman'i Thélèse ka nilentika anaty rano Bemarivo ao izay maty lasany rano mbola tadiavina io hatramin'izao. Voalaza fa nihetsika nialoha ny trombany. Voalaza ihany koa fa tsy vao izao ity toerana ity no nahafaty olona fa efa nisy tovolahy iray antsoina hoe Mpisony avy ao amin’ny Secteur Andampihely ihany koa latsaka teo ary tsy hita hatramin'izao, efa ho 10 taona lasa izay, raha ny fanazavana. Asa na ho hita Rtoa Miliètte na hanao ahoana fa raha ny fanamarihana, dia toa hita tsy dia lalina loatra ny, ary madio mangaraharaha. Misy zavatra sarotra hazavaina sy feno misitery ?
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap