Fahatapahana izay nambara fa eo amin’ny 2ora eo isan’andro ho an’ireo tanàna voakasika. Tanàna an-jatony no tapaka mifanesy ao anatin’ireo fandaharam-potoana mifanesy 11 hatramin’ny 1ora tolakandro, amin’ny 1ora hatramin’ny 3ora tolakandro, amin’ny 3ora hatramin’ny 5ora hariva,… 2 ora no serasera fa ny iainana andavanandro mihoatra an’io, ary aorian’ilay amin’ny 5ora aza tsy mitsahatra ny fahatapahana na nampanatenaina aza fa mihena 80% ny delestazy, tsy hisy fahatapahana ny ora fiasana amin’ny 6ora maraina hatramin’ny 10 ora alina,... Ny alina tontolo moa toa efa tsy namana intsony ny Jirama ! Tsy fahampian’ny famokarana herinaratra noho ny antony teknika no nambara fa antony. Milina lehibe roa mandeha amin’ny solika an’ny AKSAF ao Ambohimanambola no nambara fa mitsahatra noho izay antony ara-teknika izay. Nolazaina fa tsy afaka miasa ihany koa ny milina an’ny Afriporwer hatramin’ny omaly hariva. Naverina notsiahivina ihany koa ny tsy fahampian’ny vokatra avy any Andekaleka noho ny haintany. Misy ny fanazavana ofisialy, fa mety misy ihany koa ny olana ara-bola eo anatrehan’ny fandaniana mihoampampana amin’ny solika. Mbola manofa sy mividy angovo amin’ny tsy miankina ihany koa isika, ka iny nambaran’i Andry Rajoelina ny 10 novambra teo iny fa 100 tapitrisa dolara isan-taona eo ny hofan’ny AKSAF mamokatra 54MW, Symbion 94MW, ary VESTOP 94MW. Tsy afaka hiodina amin’izao ireo fa tsy maintsy misy vola ary efa an-taonany ihany koa ny fifandroritana teo amin’ny Fanjakana sy ny orinasan-tsolika tamin’ny resaka trosa mifampiditra, ny fitakian-trosa nataon’ireo orinasa mpamatsy herinaratra ny Jirama,… Sao dia izany olana izany no mihamafy sy miverina ka lazain’ny tompony fa misy olana teknika milina na tsy manome ny filàna ampy ny orinasan-tsolika rehefa tsy mirotsaka araka ny tokony ho izy ny vola ? Efa nofoanana rahateo ny fahafahan’ny Fanjakana manao « réquision » amin’ny fakana solika noho ny fepetran’ny mpamatsy vola. Isan’ny nambaran’i Andry Rajoelina ny 10 novambra rahateo ny hoe : « Nanao fanekena tamin’ireo orinasa mamatsy ny solika ny Jirama fa handoa 26 miliara Ar, ary ny Fanjakana 30 miliara Ar, kanefa tsy naloan’ny Jirama manontolo rehefa faran’ny volana fa mety 16 miliara Ar. Vokany, nanenjana ireo mpandraharan’ny solika fa tsy hanome rehefa tsy aloa manontolo. Ny tetibolam-panjakana manontolo no voatery nahena hanampiana ny Jirama. ». Izany rehetra izany dia vokatry ny tsy fisiana jery lavitra sy politika mahomby momba ny angovo. Nahoana tany amin’ny 15 na 16 taona lasa nanana ambim-bava an-jatony miliara Ar ny Jirama fa amin’izao bokan-trosa ? Moa tsy resabe sy fampanantenana poakaty no natao teo toy ny filazana tany amin’ny 2012 fa hanao « éolien» isika ? Ny 2018 nilazana fa hamokatra 400MW anatin’ny 5 taona ? Aty amin’ny 2024 milaza indray fa hanao 1000MW ao anatin’ny 4 taona ?
Toky R
Raha ho lasan’ny fanjakàna foibe ny hetra fakan’ny kaominina, hoy ny Front de libération national na FLN,
Nitombo ny fampidiram-bolan’i Madagasikara tamin’ny sehatry ny fizahantany ho an’ny taona 2024,
Tsy taitra akory ny orinasa JIRAMA omaly Alakamisy 21 Novambra nilaza sy nanambara
Hita omaly Alakamisy 21 Novambra teny amin’ny tetezana iray eny amin’ny By pass ny razana roa
Tapitra potehin’ireo vahiny avy any Atsimo ny aty ala ao Antsakanalabe, distrikan’i Befandriana Avaratra.
Tanterahana ao Ampasanimalo mandritra ny 2 andro ny atrikasa nasionaly ho famolavolana ny