airtel

Actualités

19-juin-2024

Morontsirak’i Madagasikara

Manomboka indray ny fahafatesana trozona lehibe…

Sample post image

Trozona lehibe manodidina ny 9 metatra tombanana ho milanja 1 taonina mahery

19-juin-2024

no hita faty eto amin'ny morontsirak’i Kimony kaominina Bemanonga distrikan’i Morondava, omaly 18 jona 2023 tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, raha ny vaovao avy any an-toerana. Ny mpanjono handeha hiandriaka maraina no nanaitra ny sefo fokontany, ka ity farany no nampilaza ny tompon'andraikitry ny Jono. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo teknisianina sady nanisy fanafody mba tsy ahafahan'ny mponina mikitika izany raha hatao ny fomba rehetra ahafahana handevina izany miaraky amin'ireo mponina eny an-toerana. Nanentana ny mponina hatrany ny Tale ny Jono fa tsy azo hanina ity trozona ity, hoy ny fampitam-baovao. Tsy vaovao ny fisiana trozona dobo sy maty tahaka izao hita aty amin’ny fari-dranomasintsika, ary manomboka volana jona tahaka izao hatrany amin’ny oktobra na novambra no matetika no ahitana izany. Tsy tena fantatra mazava ny antony mahafaty azy ireny, fa raha ny fikarohana tsotsotra nijerena fanazavana ara-tsiantifika, dia anisan’ny mety ho antony ny fandotoana ara-plastika sy ny akora simika any an-dranomasina. Mety ho lanin'ny trozona na miteraka aretina sy fivontosana aminy, ka miteraka ny fahafatesany. Eo ihany koa ny fiovan'ny toetr'andro sy ny tontolo iainana toy fiovan'ny maripanan'ny rano, ny fiovan’ny fikorianan'ny ranomasina na ny « courant océanique », ary ny fihenan’ny trondro noho ny fiovan'ny toetr'andro, izay mety hisy fiantraikany amin'ny loharanon-tsakafo ho an'ny trozona, manalemy azy ary mampihena ny fahafahany miaina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap