airtel

Actualités

01-juil-2024

Mpamotika tontolo iainana

Tena mahavita mandatsaka ain’olombelona

Sample post image

Mahita faisana ireo mpiaro ny tontolo iainana ao anatin’ny VOI

01-juil-2024

Vondron’Olona Ifotony any Ankazondandy Beparasy anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Maty nisy namono tao anaty Ala teo anelanelany Andrango sy Morafeno ny 22 jona lasa teo Rakotoarisoa Raymond, filoha lefitry ny V.O.I MANAMPISOA ao Amin'ny kaominina Beparasy. Notsatotsatohana antsy avy eo nariana tany anaty rano. Ratra tamin'ny Antsy miisa Folo no hita tamin'ny vata mangatsikany ary nisy omby iray niaraka novonoina taminny mantsy raha ny tatitra. Ny nialany tao an-trano dia handeha hitsirika Ala miaraka tamin'ny Polisin'Ala tamin'ny Asabotsy faha 22 Jona 2024 ary rehefa tsy hita izy dia niverenena nokarohina ny alahady. Tsy vao sambany anefa io, fa herintaona lasa ihany koa no maty nisy namono tamin’ny fomba tahaka izao Itompokolahy Rakotoarisoa Henri izahay, filohan’ny VOI MIalo. Rakotoarisoa Henri dia mpiaro ny tontolo iainana, nisy namono ny alin’ny 2 nifoha 3 jona teo, tao Antsampandrano, Fokontany Ankazondandy, Kaominina Ambanivohitra Mangarivotra (ex Beparasy). Nandritra ny roa taona dia mpilatsaka an-tsitrapo sy mpitatitra momba ny tsindry mihatra amin’ny harena voajanahary ao Ankazondandy ity raiamandreny ity io Raimandreny io, na tranga momba ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy izany, na momba ny fanaovana tevy ala, saingy ny ainy no nanefa. Matetika dia iharan'ny valifaty sy fandrahonana isan-karazany ireo mpizara vaovao sy mpapaneno lakolosy, hoy ny fanamarihana. Henjana ny fandripahana ala, ary ireo izay mijoro miaro izany, dia misy miantraika amin’ny aina, raha ireto tranga roa ireto ankoatra ireo tsy fantatra. Betsaka ny tsindry, ary efa nisy olobe amin’ny fiarovana tontolo iainana aza no naneho, fa nisy tamin’ireo mpirotsaka hofidiana ho depiote farany teo no nampanantena sy nandrahona fa hamela malalaka ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna raha lany eo. Matoa mandeha ny fandripahana ala, ary misy hatramin’ny fifofoana aina, dia misy tambajotra goavana, ary misy manam-pahefana. Tranga isan’ny manamarina izany hoe : olom-boafidy filoha lefitry ny Antenimierampirenena aza nisy nampiasa ny anaran’io andrim-panjakana io tamin’ny afera maloto fandripahana sy fitaterana hazo arovana tany Alaotra Mangoro, saingy vitavita ho azy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap