airtel

Actualités

29-août-2023

Mpampanofa vatana voasoloky

Nomen’ny sasany vola sandoka 1.420.000 Ar

Sample post image

Efa tonga any amin’ireo mpampanofa tena ihany koa ny vola sandoka amin’izao.

29-août-2023

Vehivavy iray mpanao io asa io any Ambondromamy, lalam-pirenena faha-4 no fantatra fa lasibatr’izany tamin’ity herinandro ity. Tonga nitaraina tany amin'ny polisy ity farany fa nisy nisandoka ary nanome vola sandoka mitentina 1. 420 .000 Ar. 20.000 Ar avokoa ireo taratasim-bola tamin'izany izay miloko manga no sady vaovaobe. Rehefa nozahana tokoa dia tratra tao an-tranony ireo vola sandoka ireo raha mbola mbola tsy hay kosa izay tena nahazoany sy niaviany izany. Notazonina vonjimaika teny anivon'ny biraon'ny Polisy ity vehivavy 33taona ity hanokafana fanadihadiana mandrapivoahan’ny tena marina. Tsiahivina moa fa tena miparitaka tokoa ny vola sandoka any amin’ny faritra amin’izao vakansy lehibe izao ka tokony samy ho mailo ny rehetra.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vehivavy mpampanofa tena nahatrarana vola sandoka marobe tao an-tranony !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap