Syndicat du Personnel d’Adminisitration Pénitentiaire Malagasy) naneho fa anisan’ny manana anjara biriky sy miantoka ny filaminana eto amin’ny Firenena na ny «ordres publiques », eny fa na ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana mijoro aza ny Fandraharahana ny fonja, ka tsy tokony hatao tsinontsinona. Mivarotra aina satria na ireo heverina fa olon-doza goavana na « criminels » eto amin’ny Firenena, eny fa na ireo lazaina fa nikotrika fanakorontanana Firenena toy ny fanonganam-panjakana (coup d’Etat) na nanao fanohintohinana ny filaminana anatin’ny Firenena (Atteinte à la sureté intérieure de l’Etat) dia mbola ny fonja ihany koa no mitazona an’ireny sy mivarotra aina ao anatin’izany, ka tsy rariny ary tsy azo ekena raha tsy mba misy ny fijerena sy famahana olana. Taorian’ny fivoriamben’ny SPAPM ny 18 martsa teo, nisy ny fiantsoana ka nihaonan’ireo mpitarika sendika sy ny Minisiteran’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny Tale Kabinetran’ny Minisitra. Niresahana ireo fitakiana samihafa io, ka nanaovan’ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM Atoa Razafiberison Myridin Mohamed tatitra fa tena nihaino sy niaiky ny mpitantana fa rariny sy hitsiny fitakiana nataon’izy ireo. Navoitrany fa nampanantena ny Minisitra tamin’ny alalan’ny Tale Kabinetra fa hitady vahaolana, indrindra fa mikasika ireo zavatra tokony ho voavaha eo anivon’ny Minisitera izay nahazoana toky fa tsy maintsy hovahana, ka nisaoran’ny SPAPM ny Minisitera noho ny finiavana hitady vahaolana. Isan’ny efa nampanantenain’ny Minisitera ny fanavaozana ny lalàna 95-010 mikasika ny satan’ny mpandraharahan’ny fonja izay efa tany amin’ny taona 1995 kanefa mbola izany no mamaritra ireo tombotsoa toy ny tambin-karama, solona hofan-trano,… Eo ihany koa ny hamerenana ny fanendrena ireo Lehiben’ny Fonja sy ny Lehiben’ny « Maisons des forces » eo anivon’ny CSAP (Conseil Supérieur de l’Administration Pénitentiaires), ka nampanantena fa haverina amin’ny CSAP io ary hisy solontenan’ny avy amin’ny Sendika hanatrika ny fivorian’ny CSAP, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM Razafiberison Myridin Mohamed. Nanao antso ho an’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ihany koa anefa ny SPAPM mba hijerena ireo vahaolana izay mila ny fankatoavan’izy ireo sy ireo andrim-panjakana samihafa. Nanamafy ny fangatahana Sekreteram-panjakana izay miankina tanteraka amin’ny governemanta.
TOERANA BANGA, FITAOVANA MIHITSOKA, FANAPAHAN-KARAMA
Nampahatsiahy fa misy ireo toerana 3 (DAP na Direction de l’Administration Pénitentiaire), DPRP (Direction des Programmes et des Ressources Pénitentiaire, ary ny DRP (Direction des Ressources Pénitentiaire) banga hatry ny ela na efa nisy anarana nalefan’izy ireo, ka zary lasa miady irery ny Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja. Ara-pitaovana, misy ireo fiara izay nomena ny fandraharahana ny fonja izay mipetra-potsiny hatramin’izao, efa nisy fangatahana tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra aza, saingy mbola tsy nisy valiny. Nanamafy ny fitakiana ny hanatsaharana ny fanapahana karama tsy ara-dalàna ihany koa moa ny sendika, izay naneho fa am-polony mahery kely no efa niharan’izany tamin’ny andron’ny Minisitra teo aloha, raha tsy mbola nisy an’izay tamin’ny minisitra ankehitriny, fa fampiatoana amin’ny asa no efa mpitranga,…
Toky R
Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »
Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy
Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga
Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny
Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i
Mila tolo-tanana, marary mafy tampoka ao Frantsa i Poon Ranaivoarisoa na Poon