airtel

Actualités

19-mars-2025

Mpandraharahan’ny fonja

«Marary izahay ! Sarotra ny mamono biby noho ny mamono anay! »

Sample post image

Niroso tamin’ny Fivoriambe notarihin’ny Birao vaovao voafidy ny 14-15 novambra 2024

19-mars-2025

ny Sendikan’ny mpiasan’ny mpandraharahan’ny ny Fonja na ny SAPM (Syndicat du Personnel d’Adminisitration Pénitentiaire Malagasy) omaly 18 martsa 2025. Voasolo tena avokoa ny mpikambana manerana ny Nosy tamin’ny ankampobeny. Omaly no nofidiana ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM ka lany tamin’izany Atoa Mohamed Myridin Razafiberison. Navoitran’ny mpandraharahan’ny SPAPM, fa marary ny tontolon’ny fandraharahana ny fonja, ary ao anatin’ny fameloman’aina, ka hanehoanay ny fangatahana sy fahetahetanay, hoy ny Sekretera Jeneraly vaovao. Nanamafy ny fangatahana Sekreteram-panjakana mba hahafahana manao ny asany araka ny tokony ho izy ny mpandraharahan’ny Fonja, izay naneho fa tsy miasa an-kahalalahana, misy foana ny tsindry,... Na ny Tale Jeneralin’ny fandraharahana ny fonja aza manao izay azo atao hanatsarana ny fandraharahana ny fonja, fa voafetra izany, hoy ny SPAPM. « Maro ny zavatra tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy, toy ny fandraisana fanapahan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny dingana araka ny lalàna ka anisan’io ny fanapahan-karama, ka tokony hatsahatra fa marary », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM Mohamed Myridin Razafiberison. « Voafehin’ny lalàna sy fitsipika izahay, ary tsy mandà ny handraisana fepetra raha misy zavatra mahazo anay, fa kosa ny fandraisana fepetra mikasika ny mpandraharahan’ny fonja tsy mifanaraka ny lalàna sy rijan-teny no tsy ekenay. Tsy izany mantsy no zava-misy fa baiko fotsiny no omena ny tompon’andraikitra dia tapaka ny karama, kanefa tokony handalo filankevi-pifehezana izany. Hevitra iraisanay rehetra izany fa tsy an’ny Biraon’ny SPAPM manokana, ka angatahanay ny hanatsaharana azy», hoy ny Filoha lefitry ny SPAPM Atoa José Thierry nanamafy. Nasian’izy ireo teny fa lasa kolontsaina amin’ny politikan’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fanenjehana ny mpiasam-panjakana amin’ny tambajotran-tserasera : tsy misy fanamarinana, tsy misy fanadihadiana, fa na antso amin’ny finday na « coup de téléphone », na resaka amin’ny tambajotran-tserasera, dia ahasahian’ny tompon’andraikitra mandray fanapahan-kevitra manimba mpiasa. « Tsapanay amin’izao fa sarotra ny mamono biby noho ny mamono mpandraharahan’ny fonja ka marary anay izany zavatra izany », hoy ny hatrany ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM.
SATA MANOKANA EFA LANY ANDRO
Nankasitraka ny Minisitry ny Fitsarana tamin’ny fanomezan-toky fa hanampy azy moa ny SPAPM, ka ny nampahatsiahivan’izy ireo ny hijerena ny tambin-karama, solona hofan-trano,,… Mangataka ny hanavaozana tanteraka 95-010 tamin’ny 10 jolay 1995 efa tany amin’ny 30 taona lasa. Tsapanay ankehitriny fa tena lany andro ny sata manokana, io no mbola iainana hatramin’izao, marary satria tena tsy mifanaraka amin’ny zavatra iainana amin’izao intsony, toy ny tambin-karama, ny « indemnité de logement »,… hoy ny SPAPM.
Toky R

 

 

 

 

 

 

 

 

Mangataka foana ny resaka trano amin’ireny fonja vaovao ireny satria tena mitaraina amin’ny fodiana lavitra, misy ireo toerana banga ao amin’ny Minisitera mba tokony hotendrena satria tena miasa irery ireo tompon’andraikitra. Tahaka izany ihany koa ny tambin-karama izay tena hiviny.
José Thierry
Charles
 

Dans la même rubrique

20-mars-2025

Nampanantena ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, fa handray fepetra

Card image cap
20-mars-2025

Tsy hay faritana mihitsy hatreto ny hoavin’ny firenena malagasy, raha ny

Card image cap
20-mars-2025

karakarain’ny Vidy Varotra sy Ketrika.com

Card image cap
20-mars-2025

Mahazo vahana ny fitrandrahana volamena any amin’ny Fokontany Ankaranana sy Amboangivy,

Card image cap
20-mars-2025

Sakana tsy hahafahan’ny olona iray mandroso eo amin’ny fiainana ny

Card image cap
19-mars-2025

Matetika niverimberina teto amin’ny firenena ny fanontaniana hoe

Card image cap