airtel

Actualités

20-août-2024

Mpiala sasatra tao Toamasina

Nanjavona tao anaty Hotely ny volabe sy ny finday avo lenta

Sample post image

Tao amina hotely iray any Toamasina, tsy hita ny finday sy ny kitapo nipetraka teo amin'ny «table de nuit»

20-août-2024

na ny latabatra manamorom-pandriana akaikin'ny varavarankely, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Teo anelanelan'ny tamin'ny 2 ora hatramin'ny 4 ora maraina dia efa tafavoaka teo amin'ny varavarankely akaikin'ny «grille de protection», izany hoe ilay makarakara vy miaro ny varavarankely iny, ilay kitapo no hita. Efa tsy nisy vola intsony tao anatiny. Tany amin'ny rihana faharoa nefa no nisy io efitra io. Tsy mety mihidy ilay «coulissante» na varavarana misosa ka nakatona fotsiny ary nidiana ny «rideaux» na ridao. Ahiana ho nanao fonoka ireo mpangalatra satria tena akaikin'ny ondana no nidiran'ny tanany nefa tsy heno. Voalaza fa nolazain'ny tompon'ny hotely ho mamorona izy ireo. Nampiany koa hoe ireo samy mpanjifa ihany no mifangalatra. Efa nandeha kosa ny fitoriana sy ny fanadihadiana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Vola saika hanaovana fialantsasatra sy finday moa izao very izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Manamafy ny Fanjakana fa tsy mahasehaka ny saran’ny famokarana ny saran’ny famarotana ny angovon’ny Jirama,

Card image cap
17-oct-2024

Tsy ny famatsian-drano avy amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ihany amin’izao fotoana

Card image cap
17-oct-2024

Mahazo vahana tanteraka ny asa fivarotan-tena eto amintsika. Ankoatra ny amin’ny tambajotran-tserasera Facebook

Card image cap
OJM
16-oct-2024

Nitondra fampahatsiahivana ny Biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM

Card image cap
16-oct-2024

Raha tiantsika hiarina i Antananarivo dia jereo izay olona tsy nanao kolikoly, hoy ny mpanabe

Card image cap
16-oct-2024

Lasibatra indray ny mpanao gazety maro omaly, raha saika hanangom-baovao nandritra

Card image cap