airtel

Actualités

24-mars-2025

MPIASAM-PANJAKANA AMBONY NAVOAKAN’NY ENAM

Vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ny Firenena

Sample post image

Vonona handray anjara amin’ny fampandrosoana ny Firenena ny DHEA na ny

24-mars-2025

Association des Diplômés en Hautes Etudes en Administration” nivoaka teo anivon’ny sekolim-pirenena manofana ho mpiasam-panjakana ambony ENAM Androhibe. Nivoitra izany nandritra ny fihaonambe notanterahin’ireo mpikambana teny amin’ny rooftop-n’ny Colisee Ampasanimalo afak’omaly Sabotsy 22 Martsa, fihaonana izay narahina firariantsoa sy fahombiazana noho ny fahatongavan’ny taona vaovao 2025 ihany koa ho an’ireo mpikambana. Narahina fandraisana ireo mpikambana vao nivoaka tao amin’ny andiany fahafito izany. Miisa 900 ankehitriny ireo mpikambana ao amin’ny DHEA raha araka ny fanazavan’ny filohany Ramanantsoa Andriamahafaly Rado raha vao 12 volana kosa no niorenan’ny fikambanana. Tanjon’izy ireo tao anatin’ny fihaonana ny mba hahafahana mifanakalo hevitra sy traikefa arahin’ny fanehoana ny fampiharana tsara natao momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana amin’ny andraikitra izay nomena azy ireo tsirairay avy eto anivon’ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ireo misahana ny administration publique, ny administration financiere, ny fivoaran’ny teknolojian’ny fampitam-baovao sy ny serasera…Nanentana ny mpikambana mba ho vonona mandrakariva amin’ny fandraisana anjara ho fampandrosoana ny firenena araka izany ny filohan’ny DHEA amin’ny alalan’ireo fahaizana sy traikefa efa noratovon’izy ireo. Fanirian’ny fikambanana rahateo ny hitazonany andraikitra goavana amin’ny fanamboarana sy fanitsiana ny resaka fitantanana eto amintsika hanjary ho tena mahomby sy mangaraharaha ka ho afaka hamaly tsara ny filan’ny Malagasy ho tombontsoan’ny rehetra.
Pati
Legende : Ireo mpikambana eo anivon’ny DHEA !

 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap