airtel

Actualités

07-sept-2023

Mpiasan’ny Banky Iraisam-pirenena

Nomena toromarika ho mailo amin’ny korontana

Sample post image

Nomena alàlana hirava aloha ny mpiasa ao amin'ny Banky Iraisam-pirenena eto amintsika omaly. Notoroin hevitra tsy hanakaiky ny HCC Ambohidahy,

07-sept-2023

ny kianja Mahamasina sy ny faritra manodidina ny birao nasionaly ho an’ny omaly tolakandro raha toa tsy tao anatin'ny birao fiasany. Antony ny toe-draharaha politika mafampana, ka heverina fa anisany ny fanaterana filatsahan-kofidiana teny amin’ny HCC ho an’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina, izay nisy resaka nivoaka tany aloha fa mety ho endrika diabe. Isan’ny voalaza fa antony hafa ny fisian’ny fivoriana politika, ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary ny fahitana fa tafika maro no efa miatrana eny an-toerana amin'izao fotoana izao. Namporisika ireo mpiasa hanalavitra ireo toerana voalaza ireo araka izany ny foibe, ka hitady lalana hafa. Ankoatra izany, nasaina nanomana laharana afaka hiantsoina maika ireo mpiasa, ka hiantso olona azo antoka raha mila fanampiana. Nentanina ihany hanaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny toe-draharaha amin’ny alalan’ny fanarahana tsy tapaka ny vaovao ireo mpiasa. Midika izany fa mailo amin’ny mety hisiana korontana na sakoroka politika ny vahiny sy ny sehatra iraisam-pirenena, izay manana rantsana eto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Nitroatra nidina an-dalambe indray ny vahoaka teny Ambohipo omaly takariva.

Card image cap
22-oct-2024

Mafy ny mahazo ireo mpifindra monina nalan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Faritra Menabe

Card image cap
22-oct-2024

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Ankadilalana, Fokontany Mahazoarivo,

Card image cap