airtel

Actualités

26-mars-2025

Mpitandrina avotra ho an’ny firenena

«Efa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fiainam-pirenena!»

Sample post image

Fikambanana mpitondra fivavahana ny MAFI saingy notazonina ilay hoe Mpitandrina avotra

26-mars-2025

ho an’ny firenena ivondronan’ny vahoaka ifotony, hoy ny mpikambana ao anatiny, Dr Benjamina Rakotondramanana, fantatry ny maro amin’ny hoe Pasitera Mazana Rakotondramanana. Rehefa mpitondra fivavahana, na Katolika io na Protestanta na iza mahatsiaro tena fa mpitondra fivavahana eto amin’ny tany sy ny firenena, dia tafiditra ao anatin’izany avokoa, hoy izy. Efa samy manana solontena ao avokoa. Noho ny zava-misy eto amin’ny firenena dia 2 taona izao no nijoroan’ny MAFI. Isan’ny mpampaneno lakolosy manoloanan’ny tranga eto amin’ny firenena satria hita sy tsapa ny amin’ny fiainam-pirenena ankehitriny fa tena tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantanana ny firenena ka amin’ny maha mpitondra fivavahana, mpaminany dia miteny sy mampita ny hafatra amin’ny ambaratonga rehetra manomboka amin’ny vahoaka hatrany amin’ny mpitondra mba hijery ny tokony ho tena lalan-kaleha amin’izao fotoana izao. Efa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fiainam-pirenena! Ny fiainam-pirenena mihitsy no antom-pisian’ny MAFI. Rehefa tsy mety ny fiainam-pirenena dia mandray andraikitra ny mpitondra fivavahana ao anatin’ny fikambanana MAFI. Ny hoe maminany dia mitondra hafatra, mitondra teny fa tsy hoe ho filohan’ny repoblika i Ranona na ho izao Ranona fa mitondra hafatra araka ny tokony ho izy. Misy tsy mety eto amin’ny firenena dia miteny ny mpitondra fivavahana. Izay no atao hoe «Profetea» amin’ny teny grika. Efa tsy azo iainana intsony satria efa mihoatran’ny fisainana mahaolona ny zava-misy ankehitriny. Soatoavina malagasy ny fihavanana nefa tamin’ity taona ity tsindron’antsy, tsindron’antsy aroa. Mampivarahontsana izany nefa dia toa jeren’ny mpitondra fotsiny. Isan’ny mampalahelo satria vokatry ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra no antony. Araka ilay efa nolazaiko io hoe vokatry ny krizy 2009 ireny tranga rehetra ireny. Tsy misy fetra ny fandraisanay andraikitra. Samy tomponandraikitra isika eto amin’ny firenena. Faly ve isika fa ho lasan’ny any ivelany ny tanintsika? Ny an’ny malagasy eto arodana. Mamoahenatra izany ary antony nandrodanana ny fitondràna tamin’ny fotoan’andro ny resaka Daewoo. Ny malagasy tompon’ny tany indray eto no mipetraka eny amoron-dalana sy ambany tonelina. Tsy misy maha ratsy ny fandrosoana fa mila jerena ny zava-misy ankehitriny hoe efa tena mihatra aman’aina ny fahantram-bahoaka! Inoana fa tsy teny atondraka an-damosin-gisa izany fa iantefa amina mpitondra manana fo sy saina amam-panahy. Tsy maintsy miteny izahay satria irak’Andriamanitra ka ny tsy fitenenanay dia hanadinan’Andriamanitra anay izao zava-manjo ny firenena izao. Tsy mifakaiza amin’ny tantara anaty Baiboly ny zava-misy ankehitriny satria mijoro hatrany mananatra sy miteny ny fiangonana. Miteny aloha ny MAFI. Raha vonona hiara-hiasa aminay ny mpanao politika dia tsy ho sakananay mihitsy satria ny hery hahafahana manamafy ny tolona na «force exécutoire» no tadiavina mba hahafahan’ny mpitondra mandre ny antsoantsonay hahafahana manampy ny vahoaka izay efa mandry an-driran’antsy amin’izao fotoana izao. Ny mpitondra angamba sisa izao no mbola mahita hoe mandeha izao. Efa 1200 Ariary ny kapoakan’ny vary izao saingy fitombenam-behivavy no lasa raharaham-pirenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Hentitra ny mpandraharahan’ny fonja amin’ny alalan’ny Sendika SPAPM

Card image cap
26-mars-2025

Atsaharo ny fakana tanim-bahoaka sao ho singam-bolo handavo ny vositra ! »

Card image cap
26-mars-2025

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

Card image cap
26-mars-2025

Mahatratra 500 isa ireo fianakaviana manana olana tany amin’ny fireneny tonga

Card image cap
26-mars-2025

Azo hatao tsara ny manova ireo karazan’entana ao an-trano amin’izao ankatoky ny

Card image cap
26-mars-2025

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i

Card image cap